Back

ⓘ Tambajotra nerônina




Tambajotra nerônina
                                     

ⓘ Tambajotra nerônina

Ny tambajotra nerônina dia teny hitononana ireo tambajotra nerônina voajanahary na voatrolombelona.

Aminny taranjanny kajimirindra ny tambajotra nerônina dia midika tambajotra nerônina voatrolombelona, ary aminny taranjanny biolojia, ny tambajotra nerônina dia midika tambajotra nerônina voajanahary na biôlojika. Ity lahatsoratra ity dia hamaritra ny tambajotra nerônina voatrolombelona.

                                     

1. Tambajotra nerônina ary haranita-tsaina voatrolombelona

Ny tambajotra nerônina voatrolombelona TNV dia vondrona nerônina voatrolombelona mampiasa modely matematika aminny fikirakirana fampahalalàna. Rafitra mizatra ny TNV ary miova araky ny fampahalalana ivelany na anaty ny rafiny.

                                     

2. Filàna azy

Ny aligôritma mampiasa tambajotra nerônina dia aligôritma afaka mivoatra araky ny fampahalalana atolotra azy. Ireo tambajotra ireo koa no mahita ny endrika anglisy: pattern ankapobenny fampahalalana atolotra azy.

Noho izay fahafahany izany ary ny fahafahany manasokajy ny fampahalalana, dia ampiasaina aminny famahàna olana ara-statistika, toa ny fisokajiana ny kaodim-paositr ho azy na ny fanapahan-kevitra mombanny fivarotanentana araky ny fivoaranny vidy. Aminny alalanny rindrankajy mampiasa tambajotra nerônina, afaka manao faminavinàna aminny mpanjifa ny mpiasa aminny banky, araka ny fidiram-bola ary ny isanny zanakilay mpanjifa. Raha betsaka ny fampahalalana ohatrizany dia ho fantatra raha ho tsara sa ho ratsy ilay mpanjifa.

Raha mampiasa isa voajanahary ilay tambajotra nerônina, dia hanome valiny ao anatinny elanelana izay tambajotra izay.

                                     
  • ny haranita - tsaina ara - kajy dia voafaritra amin ny : Fampiasana tambajotra nerônina anglisy : neural network : manavanana ny rafitra amin ny famantarana

Users also searched:

...