Back

ⓘ Mosavy (finoana malagasy)




                                               

Fanandroana malagasy

Ny fanandroana malagasy dia endriky ny fanandroana ataon ny mpanandro malagasy izay andinihany sy ampiharany ny fifandraisan ny fotoana ahaterahan ny olona iray na ny fotoana ahatanterahan ny zavatra iray andaniny, amin ny toerana sy ny toetran ireo zavatra eny amin ny lanitra, indrindra ny Volana, ankilany, araka ny tetiandro nentin-drazana malagasy sy ny fifandraisan izany amin ny ho toetr ilay olona teraka na ilay zavatra miseho na tiana hotanteraka. Izany no atao hoe vintana. Ambaran ny mpanandro malagasy fa mamaritra ny toetra sy ny hoavin ny olona ateraka na ny zavatra tanterahina ta ...

                                     

ⓘ Mosavy (finoana malagasy)

Ny mosavy dia fisomparana olona amin ny alalanny ody ratsy na vorika. Matetika dia avy amin ny filalaovana ody ny mahatonga ny olona iray ho lasa mpamosavy. Tranga fandre matetika ny maka ody fitia any amin ny mpimasy kanjo afotitr iny ody iny ilay olona ary lasa manjary mpamosavy avy eo. Misy koa ny mosavy no inian ny olombelona atao, fa tsy entin ny ody; noho ny fialonana na ady na lolom-po na antony maro samihafa no mahatonga azy amin izay.

                                     

1.1. Ny mpamosavy Ny fivoahana alina

Ny fisehon ny fiasan ny ody amin ny mpamosavy dia entiny mivoaka isan alina ilay olona, miaraka amin ny kary sy vorondolo, ary tsy mahare ny fiàlany ao am-pandriana na ny fiverenany ao akory ny iray trano aminy. Tantara maro no re momba ny ataon ny mpamosavy mandritra io fivoahany alina io.

Miboridana ny mpamosavy rehefa mivoaka alina, ary mihoso-menaka hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia, ka mahasarotra ny fisamborana azy io raha sendra misy mieritreritra ny hibeda azy satria malama ny vatany. Lolohaviny ny akanjony ka raha sendra misy manenjika izy dia iny lambany iny no atsipiny any amin ny làlana iray ary izy kosa mandeha amin ny làlana iray hafa. Raha sendra mifanena amin ny mpamosavy hono ianao, na mihaodihaody ao ala-trano izy amin ny alina, ka resiny ny herin-tsainao dia izao no zava-mitranga: mihorona ny ati-doha, mavesatra be toa tsy zaka; mety haneno ny kary sy vorondolo.

Zavatra fanaon ny mpamosavy koa ny misoavaly izay olona sendra azy. Misy fihetsika maro ataony amin izany ka rehefa avelany ilay olona dia tena lanaka tanteraka mihitsy. Marihina koa fa tena tia misoavaly omby koa ny mpamosavy ka indraindray idirany ny valan omby dia asesiny soavaliana ny omby ompiana ao.

Eo koa ny olona izay mandeha amin ny alina ka mitaraina ho nahodin ny mpamosavy, ka ny fisehon izay indray dia voan ny tamberin-tany izy ka toa mihodinkodina fotsiny fa tsy mahita ny lalan-kivoahana raha tsy efa maraina ny andro. Ankoatra an ireo dia manao asa fisomparana maro hafa ny mpamosavy: singanina amin izany ny famonoana biby fiompy, indrindra ny omby, ao koa ny fanimbana ny zava-maniry. Misy tokoa ny omby maty ho azy ka rehefa rasaina dia ahitana vorodamba mivalombalona ao anaty kibony. Ao koa ny mpamosavy manondraka anana na zava-maniry amin ny rano mangotraka.

                                     

1.2. Ny mpamosavy Ny fombafombany

Mivondrona hono ny mpamosavy maromaro ary manana rakitra rizareo, izay vola angoniny isaky ny fihaonany ary afeniny any ho any ka tsy misy mahalala ny toerana hanafenany izany. Raha mahatratra mpamosavy ny olona iray dia mety ho tambazany vola ilay nahatratra azy mba tsy hanoro azy amin ny mpiara-monina, ka raha manaiky hamotsotra azy dia anomezany amin io rakitra io, ary volabe mety hampanan-karena mihitsy izany.

                                     

1.3. Ny mpamosavy Ny fadiny

Voalaza fa fady tsipazana voanjobory ny mpamosavy ka tsy mampandaitra ny odiny izany. Misy ny olona rehefa voatery handeha alina dia mivatsy voanjobory any am-paosiny hitorahana mpamosavy raha sanatria ka mifanena aminy. Ho an ny sasany indray dia fafany amin ny tànany ny faladiany ary iny tànany iny indray avy eo no afafany amin ny lohany; tsy mahatohitra koa hono ny mpamosavy raha manao izay ianao. Misy hazo antsoina hoe mpanjakabenitany koa izay tsy tantin ny mpamosavy. Hazo fanaon ny Malagasy tehina izy io ka raha ikapohana mpamosavy dia maharesy azy.

                                     

1.4. Ny mpamosavy Famantarana

Ho an ny olona mitazona ody, rehefa manomboka haodin izay ody izay hivoaka alina ny tompony, dia mety hisy bibilava menarana na tompontany ao an-trano ary tsy mety roahina na vonoina fa misy foana. Fambara iray izay efa miasa ny ody.

                                     

1.5. Ny mpamosavy Zavatra hafa fantatra

Tsy voatery ho ny filalaovana ody irery ihany no mahatonga ny olona iray ho lasa mpamosavy. Misy koa ny mandova ratsy izany amin ireo ray aman-dreniny. Rehefa miala aina ny mpamosavy dia tantarainy daholo ny sompatra rehetra nataony nandritra ny fiainany, ary mety maharitra fotoana ela mihitsy ny fialàny aina vao maty izy. Aminio fotoana io koa no amindrany ny ody ratsiny amin ny olona anankiray izay manatrika eo ka manjary lasa mpamosavy koa iny olona iny. Tsy amin ny alina ihany no manao ny asa ratsiny ny mpamosavy. Amin ny antoandro koa dia mety hanome sakafo voapoizina amin ny olona amosaviany izy. Matetika dia miteraka fahafatesana izany vorika izany. Tsara homarihina fa amin ny antoandro ny mpamosavy dia tsy misy hanavahana azy amin ny olona tsotra. Nomelohin ny fiaraha-monin ny Ntaolo ny mpamosavy ka anisan ny fitsarana ny olona iray toriana ho mpamosavy ny fampisotroana tangena.

                                     

2. Ohabolana

  • "Mpamosavy malemy ka ny ao an-trano ihany no aripany."
  • "Ny mpamosavy mandeha alina aza misy mahita."
  • ". izay to fo mpamosavy."
  • "Mpamosavy milevina amoron-dàlana ka mahatantesa ny valin-kitsaka."
  • "Malemy tsy azo toy ny mpamosavy antitra.".
                                     
  • valala, nolovainy tamin ny mpanjaka Rabiby razambeny izany Matahotra mosavy ka na akotry ahahiny andro aza no jerijerenao dia ariany izany Resy lahatra

Users also searched:

fomba fanaovana ody fitia, fomba fihinanana tamotamo, ody fiandry, ody fitia pdf,

...
...
...