Back

ⓘ Aristôty




                                               

Pseodepigrafa (literatiora)

Ny pseodepigrafa dia lahatsoratra izay lazaina fa nosoratanny olona iray voatonona anarana nefa tsy nanoratra azy akory. Avy aminny teny grika hoe ψευδής / pseudḗs, "sandoka", sy hoe ἐπιγραφή / epigraphḗ, "soratra voasokitra" na "anarana" ny teny nogasinan hoe pseodepigrafa. Aminny ankapobeny dia olona malaza ao aminny tantara no lazaina fa nanoratra ny asasoratra pseodepigrafa, ka fahita izany na teo aminny lahatsoratra ivelanny fivavahana na teo aminny literatioram-pivavahana toy ny boky maro ao aminny Baiboly. Nandritra ny Andro Taloha dia izany ny fanaonny mpanoratra maro izay tsy tena ...

Aristôty
                                     

ⓘ Aristôty

I Aristôty na Aristôtelesy dia filôzôfy, mpanao asa soratra, mpahay kintana, mpahay fizika taminny Andro Taloha, teraka ny taminny taona 383 na 384 tal. J.K. ary maty taminny taona 321 na 322 tal. J.K. Aminny teny grika dia atao hoe Ἀριστοτέλης / Aristotelês ny anarany.

Izy sy i Platôna, izay nampianatra azy tao aminny Akademiani Platôna, dia mpandinika nanana ny maha izy azy tao aminny Tontolo tandrefana. Izy no isanireo filôzôfy vitsy izay nanoratra saika momba ny seha-pahalalana rehetra taminny fotoanandrony, toy ny biôlôjia, ny fizika, ny metafizika, ny lôjika, ny pôetika, ny pôlitika, ny retôrika ary indraindray koa ny haitoekarena. Amini Aristôty ny filôzôfia dia raisiny aminny heviny mivelatra kokoa: sady fikatsahana ny fahalalana ny filôzôfia no fanontaniana momba ny tontolo ary siansanny siansa.

Amini Aristôty ny siansa dia mizara sampana telo lehibe: dia ny siansa teôrika sy ny siansa pratika ary ny siansa ampiharina. Ny siansa teôrika no sehatra tsara ampiasanny olona ny fotoana malalaka ananany. Isanizany ny "filôzôfia voalohany" na metafizika sy ny matematika, ary ny fizika, izay natsoina hoe "filôzôfia natoraly". Ny siansa pratika dia mitodika aminny asa praxis ka ao no sehatra andinihana ny pôlitika sy ny etika. Ny siansa ampiharina indray dia mahafaoka ny sehetry ny teknika sy ny famokaran-javatra ivelanny olombelona, ka isanizany ny fambolena, ny pôezia, ny retôrika, ary izay zavatra rehetra vokarinny olombelona. Ny lôjika indray dia tsy noheverini Aristôty ho siansa fa nataony ho fitaovana ahafahana mampivoatra ny siansa. Ao aminny asasorany atao hoe Organon no ahitana ny lohahevitra roa lehibe ilafihanny lôjika, dia ny silôjisma izay nampiavaka ny skôlastika

sy ny kategôria izay mamaly ny fanontaniana hoe: inona? aiza? oviana? firy? sns.

                                     
  • hanokanana lohateny ao amin ny filozofia. Ohatra, ao amin ny asasoratr i Aristôty izay nisy fiantraikany tamin ny teôlôjia jiosy sy kristiana ary miozolmana

Users also searched:

...
...
...