Back

ⓘ Andriamanitra (finoan-drazana malagasy)




                                               

Lahatra

Ny lahatra, araka ny finoan-drazana malagasy, dia fitondran Andriamanitra na ny vintana mihatra amin ny olombelona. Izao ny filazanny Ntaolo malagasy momba ny lahatra: Ny mazoto no nambinina ka ny kamo avy koa no milaza ho miandry lahatra.

                                               

Anjara (finoana)

Ny anjara, aminny finoan-drazana malagasy, dia zavatra soa na ratsy inoana ho avy amin Andriamanitra. Ny anjara dia ilazana ny zavatra tsy azo ihodivirana sady lehibe toy ny loza, ny fahafatesana, sns. Mifandray ihany ny anjara sy ny vintana ary ny lahatra, ka izany no ahenoana ny hoe "anjara vintana". Samy manana ny anjarany avy amini Zanahary ny olona na ny vondronolona tsirairay. Hoy ny Ntaolo malagasy: Tsy mandidy alohanAndriamanitra aho, fa izay zara-vintana lolohavina. Tsy misy nivavaka niankandrefana, fa samy nianavaratra ihany; fa ny harena mila vintana, ka raha tsy anjara, tsy ton ...

                                     

ⓘ Andriamanitra (finoan-drazana malagasy)

Amin ny Ntaolo malagasy dia atao hoe andriamanitra na zanahary ireo fanahy manana hery sy fahalalana ary hasina ambony lavitra noho ny an ny fanahy hafa sy ny an ny zavaboary rehetra. Amin ireo zanahary ireo dia inoan ny Ntaolo malagasy ny fisian ny iray izay antsoiny hoe Zanahary na Andriamanitra fotsiny, izay lehibe indrindra noho ireo andriamanitra ireo, sady mpahary, manam-pahefana hanome na hanaisotra ny ain ny zavamananaina.

Tamin ny nifampikasohan ny kolontsain ny Ntaolo malagasy amin ny kolontsaina silamo dia naetry voninahitra tsy ho andriamanitra ireo andriamanitra maro hafa ninoan ny Malagasy, ka i Zanahary na Andriamanitra tokana ihany no andriamanitra. Mbola hita taratra ao amin ireo fedrà sy fomba fiteny nolovaina tamin ny Ntaolo malagasy anefa ny finoany ny fisian ny andriamanitra maro sy ny fahafahan ny fanahy hafa, isan izany ny fanahin ireo razana, ho lasa andriamanitra. Maro noho izany fivoaran ny finoan ny Malagasy izany ny mpanoratra mivoy ny maha tokana ny andriamanitra nivavahan ny Ntaolo malagasy, na dia fantatra fa tsy vahoaka nino andriamanitra tokana avokoa no nipoiran ny razamben ny Malagasy.

Ny ankamaroan ny vahoaka nitondra ny kolontsainy teto Madagasikara dia mivavaka amin andriamanitra maro. Ohatra, maro amin ny fivavahan-drazana afrikana no mino ny fisian ny andriamanitra maro. Fantatra koa fa ny Arabo talohanny nisian ny fivavahana silamo dia nivavaka tamin andriamanitra maro. Ny Indiana hindo koa, afa-tsy ireo Miozolmana na Kristiana ohatra, dia mivavaka amin andriaanitra maro.

Noho izany rehetra izany dia miodina eo anelanelan ny fivavahana amin andriamanitra tokana sy amin andriamanitra maro ny finoan ny mpandala ny fivavahan-drazana malagasy. Izany no mahatonga ny mpanoratra sasany, izay te haneho ny maha tokana ny andriamanitra nivavahan ny Ntaolo malagasy, hihevitra fa ireo andriamanitra heno amin ny fitenenana na fitokavana dia fisehoan ilay andriamanitra tokana, dia i Zanahary na Andriamanitra, fa tsy tena andriamanitra.

                                     

1.1. Ny anarany Andriamanitra

Ny anarana hoe andriamanitra no miasa matetika amin ny faritra afovoan-tany. Io no nohazonin ny fivavahana kristiana, sady lasa anaran-tsamirery Andriamanitra rehefa nandika ny Baiboly amin ny fiteny malagasy.

                                     

1.2. Ny anarany Andriananahary

Faheno manerana an i Madagasikara io anarana hoe andriananahary io. Mety hiseho amin ny endrika samihafa io teny io arakaraka ny faritra: andrenañahary, ndreñanahary, andrianañahare, andrañahary, andrañahare.

                                     

1.3. Ny anarany Zanahary

Faheno matetika ny anarana hoe zanahary indrindra fa any amin ny faritra tsy afovoan-tany eto Madagasikara. Mety hiova hoe nanahary io rehefa akambana aminny teny hafa. Miovaova koa ny fanononana azy io arakaraka ny faritra: zañahare, nañahare, rañahare, rañahary. Tsy dia faheno matetika ity anarana ity mba hiantsoana na hanaovana toriteny momba an Andriamanitra ao amin ny fivavanana kristiana atao amin ny fiteny malagasy ofisialy.

any amin ny faritra atsimon ny Nosy dia mampiasa ny teny hoe andrian-tompo koa hiantsoany ny zanahary.

                                     

1.4. Ny anarany Famotoran-tenim-bahoaka

Raha takarina araka ny fiforonany ny anarana hoe Andriamanitra, araka ny hevitry ny besinimaro, dia azo rasaina hoe: "Andriana manitra". Mitovy aminy ihany koa ny anarana hoe Zanahary, izany hoe, "Izay Nahary", izay namorona ny zavatra rehetra tamin ny voalohany. Misy koa ny fomba fiteny hoe Andriamanitra-Andriananahary, izay midika "Andriamanitra avo sady mpamorona". I Richardson dia mitatitra ny filazan ny Malagasy tamin ny fotoanandrony fa satria tsy hita maso Andriamanitra dia ny fofony manitra no ahafantarana ny fanatrehany.

                                     

1.5. Ny anarany Famotoran-teny ara-tsiansa

Ny fisian ny feon-teny ñ tononina hoe ao amin ireo anarana iantsoana an Andriamanitra na ny andriamanitra amin ny tenim-paritra maro no anoheran ny mpikaroka sasany ny famotoran-tenim-bahoaka mandrasa ny Zanahary ho "izay + nahary", satria ny filazam-potoana lasa amini reo fiteny malagasy ireo dia tsy manomboka amin ny ñ- fa amin ny n- mandrakariva, toy ny hita amin ny fiteny malagasy rehetra. Tsy misy resaka fahariana ny ao amin ny teny hoe Zanahary na Zañahary.

Araka an i Ferrand, ny teny hoe andriananahary dia avy amin ny teny hoe adhyia ilay fisiana andriamanitra niandohan ny zavatra rehetra sy ny hoe hari midika hoe "masoandro" ao amin ny teny sanskrita sy ireo teny aostrôneziana. Nikambana ireo teny roa ireo ka nanome ny hoe Adhyia-hari izay midika hoe "andriamanitra masoandro" sy Yang-hari, "Andriamanitra masoandro". Ny teny malagasy hoe hary "fahazavan ny masoandro", "masoandro" dia hita amin ny teny hoe antoandrobenanahary.

Araka ny itateran-dRazafintsalama azy, ny teny hoe andriamanitra dia avy amin ny teny sanskrita hoe adya izay midika hoe "herin andriamanitra" sy ny teny indôneziana hoe atman izay avy amin ny teny hoe manis nipoiran ny teny malagasy hoe manitra.



                                     

2. Ny andriamanitra ninoan ny Ntaolo malagasy

Ny asan ny andriamanitry ny Ntaolo malagasy

Ny mpanoratra Razafintsalama dia mitanisa ny toetra sy ny asan Andriamanitra araka ny fiteny sy ny finoan ny Ntaolo malagasy: Andriamanitra no mandahatra, mahita ny miafina izy, mpamaly ny soa sy ny ratsy izy, izy no mahary ny aina, izy no nanome manokana ny vary, izy no nanome ny ody sy ny sampy, izy no manome ny tany sy ny fanjakana

Lavitra sy masina loatra Andriamanitra ka ilaina ny mpanelanelana eo aminy sy ny olombelona, ka isan ireo mpanelanelana ireo ny Vazimba, ny razana, ny mpanjaka niamboho, sns. Ny razana no ahazoan ny velona ny hasina avy amin Andriamanitra. Mpanelanelane koa ny mpisorona sy ny ombiasa.

                                     

3. Ny isan ny andriamanitry ny Ntaolo malagasy

Tsy mitovy hevitra ny Malagasy sy ny mpikaroka ny amin ny valin ny fanontaniana hoe: "Mino andriamanitra tokana sa andriamanitra maro ny Malagasy?"

Pôliteisma malagasy

I Robert Jaovelo-Dzao kosa miaiky ny pôliteisma malagasy.

                                     

3.1. Ny isan ny andriamanitry ny Ntaolo malagasy Araka ny fedrà maIagasy sy ny fitokavana

I Zanahary dia andriamanitra monina any an-danitra ao amin ny fedrà malagasy. Heverina ho andriamanitra mpahary izy ka inoana fa niara-niasa tamin ny andriamanitry ny tany, dia Ratovontany, tamin ny namoronany ny olombelona. Rehefa maty ny olombelona dia miakatra any an-danitra ny fanahiny fa ny vatany kosa miverina amin ny tany. Izany no ampiarahana an i Zanahary amin ny fanahy ao amin ny finoan ny Malagasy sy ny fivavahana amin ny razana.

Ny Bara sy ny Betsimisaraka dia manana fedrà izay ahitana ny anjara asan i Zanahary sahanin ny Masoandro andriamanitra masoandro, izay mandray ny fanahin ny olombelona aorian ny fahafatesana; nefa, heverina amin ny ankapobeny fa tsy manana toetra masoandro i Zanahary. Misy koa anefa ny Zanahary an-tany na Zanahary ambany ankoatry ny Zanahary an-danitra na Zanahary ambony.

Misy lahy sy vavy ny zanahary, ka misy ny Zanahary lahy sy ny Zanahary vavy. Amin ny ankapobeny dia heverina ho lahy nefa koa ho tsy vavy tsy lahy i Zanahary. Indraindray dia manambady ny Zanahary ka miteraka lahy na vavy zanaka lahin-Janahary zanaka vavin-Janahary. Misy koa ny Zanahary kely sy ny Zanahary be. Akoatr izany rehetra izany dia manana toeram-ponenana samihafa ny Zanahary: Zanahary an-danitra ambony, Zanahary an-tany ambany, Zanahary anaty rano, sns.

Ankoatry ny mampisy lahy sy vavy ny Zanahary, na ny Zanahary ambony sy ny Zanahary ambany, dia misy koa ireo Zanahary amin ny lafin-tany, dia ny Zanahary atsinanana, ny Zanahary andrefana, ny Zanahary avaratra ary ny Zanahary atsimo. Heno izany amin ny fitokavana fiantsoana azy ireo rehefa mivavaka ny Ntaolo malagasy.



                                     

3.2. Ny isan ny andriamanitry ny Ntaolo malagasy Ireo zavatra nantsoina hoe Andriamanitra na Zanahary

Ireto avy ireo izy ireo:

  • ny sampy tao afovoan-tany
  • ny ody
  • ny razana efa maty ela
  • ny mpanjaka niamboho maty
  • ny razana mbola tsy milevina antsoina hoe zañahare, any aminny faritra atsimonny Nosy.
  • ny mpanjaka mbola velona

Amin ny mpanoratra sasany toa an i Dahl dia fomba fiteny fotsiny izany fa tsy manafangaro an Andriamanitra amin ny razana ny Malagasy.

                                     

3.3. Ny isan ny andriamanitry ny Ntaolo malagasy Mônôteisma malagasy

I Petro Lupo, ohatra, dia manohana ny mônôteisma malagasy ao amin ny boky nosoratany mitondra ny lohateny hoe: Dieu dans la tradition malgache. Approches comparées avec les religions africaines et le christianisme. Toraka izany koa ny hevitr ireo mpanohana ny fananan ny Ntaolo malagasy kolontsaina jiosy na hebreo, na ny an ireo mpitory teny kristiana te hampanaiky ny Malagasy efa nahafantra amin ny fomba tsy tonga lafatra an Andriamanitra tokana ny razambeny. Misy ireo mitsofoka anelanelany ka milaza fa tokana ny Andriamanitra ninoan ny Ntaolo malagasy nefa indraindray miseho amin ny endrika maro mba hanatanteraka ny asa tiany hatao.

                                     

3.4. Ny isan ny andriamanitry ny Ntaolo malagasy Pôliteisma malagasy

I Robert Jaovelo-Dzao kosa miaiky ny pôliteisma malagasy.

                                     

4. Ohabolana sy fitenenana momba an Andriamanitra na ny Zanahary

Ahafaha-mitaratra ny finoan ny Ntaolo malagasy ny toetra sy ny asan ny Andriamanitra koa ny ohabolana sy fitenenana maro iresahany ny amin ny Andriamanitra, araka ny hita manaraka eto:

                                     

4.1. Ohabolana sy fitenenana momba an Andriamanitra na ny Zanahary Ohabolana sy fitenenana momba anAndriamanitra

  • Mandeha irery, sahalain Andriamanitra; mandeha roa, sahalain olombelona.
  • Andriamanitra tsy andrin ny sasany, andriko ihany.
  • Ny fikasana no an olombelona, fa ny didy an Andriamanitra.
  • Aleo meloka amin olombelona, toy izay meloka amin Andriamanitra.
  • Aza mandidy alohan Andriamanitra toy ny mpanotrika akoho.
  • Vodi-varin Andriamanitra ny olona, ka izay tiany halaina no alainy, ary izay tiany avela no avelany.
  • Andriamanitra tsy tia ratsy.
  • Aza ny lohasaha mangina no jerena, fa Andriamanitra an-tampon ny loha.
  • Aza manao vava azon Andriamanitra.
  • Andriamanitra nanome, fa i Balita no tsy ambinina.
  • Boka miteraka mitoraka Alahamady, ka hitan Andriamanitra ny tarehiny.
  • Avo fijery ny Andriamanitra, ka mahita ny takona.
  • Andriamanitra tsy omen-tsiny, Zanahary tsy omem-pondro; fa ny olombelona no be siasia.
  • Andriamanitra mby an-trano. Ilazana ny hazavanny masoandro miditra ao an-trano na ny fahasoavana tonga tsy ampoizina
  • Andriamanitra tsy an ny irery.
  • Rafotsibe mita rano: izay hahasoa ataovin Andriamanitra, na ho rendrika, na ho tafita.
  • Aza manao an Andriamanitra tsy misy ka mitsambiki-mikimpy.


                                     

4.2. Ohabolana sy fitenenana momba an Andriamanitra na ny Zanahary Ohabolana sy fitenenana momba an i Zanahary

  • Ranomason-Janahary ny harena: zay ilatsahany mahazo anazy.
  • Andriamanitra tsy omen-tsininy, Zanahary tsy omem-pondro, fa ny olombelona no be siasia.
  • Tarehy ratsy nataon-Janahary, ka tsy vanon-kisaronan-doha.
  • Petak orona sy dondon-kandrina: ny iray iva tsy anomezan-tsiny, ny iray avo tsy anomezam-pondro, fa izay vitan-Janaharyifaliana.
  • Ny ampitso tsy mba azo faritana fa an-Janahary.
  • Andriamanitra nahary tongotra aman-tanana.
  • Ny tany vadiben-Janahary: mihary ny velona, manotrona ny maty.
  • Lavo an-tany marina, solafaka nomen-tehina: tsy antena namono fa Zanahary.
  • Zanahary nahary tongotra aman-tanana.
  • Ny iray volavolain-Janahary, ny iray volavolain olombelona.
  • Vita ratsy karaha Zanahary nanano voay.
                                     

5. Jereo koa

  • Andriamanitra anarana iombonana
  • Fivavahana ao Madagasikara
  • Fivavahan-drazana afrikana
  • Fivavahana aminny razana
  • Finoana silamo eto Madagasikara
  • Fivavahana tao Arabia talohanny fivavahana silamo
  • Andriamanitra tokana
                                     

6.1. Rohy ivelany sy boky azo anovozan-kevitra Boky

  • Lupo Pietro, Dieu dans la tradition malgache. Approches comparées avec les religions africaines et le christianisme, Fianarantsoa-Paris, Edition Ambozontany et Karthala, 2006, 189p. Vakio eto
  • Beaujard P., 2006, "Le pèlerinage septennal sur le tombeau de l’ancêtre des Anteoñy pays antemoro, Sud-est de Madagascar", dans S. Blanchy, J.‑A. Rakotoarisoa, P. Beaujard & C. Radimilahy dir., Les dieux au service du peuple. Itinéraires religieux, médiation et syncrétisme à Madagascar, Paris, Karthala, p. 403-454.
  • Blanchy S. & Andriamampianina R., 2001, "Possession, transe ou dialogue? Les formes récentes de la communication avec les ancêtres en Imerina Madagascar", dans M. C. Dupré dir., Familiarité avec les dieux. Transe et possession, Clermont-Ferrand, Presses universitaires Blaise Pascal, p. 23-56.
  • Dahl O., 1999, Meanings in Madagascar: Cases of Intercultural Communication, Westport Usa, Greenwood Publishing Group, 189 p.
  • Ferrand G., 1906, Le dieu malgache Zanahari, Leiden, Brill, 17 p.
  • Jaovelo-Dzao Robert, Mythes, rites et transes à Madagascar Angano, Joro et Tromba Sakalava, Karthala édit Ambozontany, Thèse Strasbourg 1985 Vakio eto
  • Dahl O., 1939, "Quelques étymologies du domaine religieux", Bulletin de l’Académie malgache, n° 22, p. 55-64.
  • Decary R., 1951, Mœurs et culture des malgaches, Paris, Payot, 280 p.
  • Bouillon A., 1981, Madagascar, le colonisé et son âme. Essai sur le discours psychologique colonial, Paris, L’Harmattan, 423 p.
  • S. Blanchy, J.‑A. Rakotoarisoa, P. Beaujard & C. Radimilahy dir., 2006, Les dieux au service du peuple. Itinéraires religieux, médiation et syncrétisme à Madagascar, Paris, Karthala, 536 p.
                                     

6.2. Rohy ivelany sy boky azo anovozan-kevitra Hafa

  • "Ask Ballader: Is there a Malagasy Solar Deity?" Balladeers Blog
  • "Madagascar Gods of the Betsimisaraka" Balladeers Blog
                                     
  • Silamo taty amin ny kontinenta. Isan ny singa iray mandrafitra ny finoan - drazana malagasy ny sikidy. Ny mpisikidy, izay tsy iza fa ny ombiasa na ombiasy
  • Madagasikara, indrindra ny Malagasy ankoatry ny fivavahan - drazana sy ny finoana silamo sy ny hafa koa. Ny 41 n ny Malagasy dia Kristiana, araka ny tatitry
  • mankeny Andemaka, alemahon Andriamanitra Mankeny Volasarika, sarihon Andriamanitra Mankeny Ambodikongona, kongonin Andriamanitra mankeny Ambanidia, mbiaza

Users also searched:

...
...
...