Back

ⓘ Sokajin-teny




                                               

Teny

Aminny heviny mahazatra, ny teny dia feo na soratra mitandahatra, ka manome heviny sy manana ny dikany. Ny fiavahanny teny roa samy hafa dia sarahinny mpanelanelana, izay matetika eba na malalaka hita aminny soratra, ary fiatoana kely heno aminny fitenenana.

                                               

Mpampitohy teny

Ny mpampitohy teny dia teny enti-mampitohy teny na andian-teny roa na maromaro mitovy anjara asa ao aminny andian-teny lehibe kokoa na fehezanteny na ny fehezankevitra.

                                               

Anjara asa (fitsipiteny)

Ny anjara asa dia karazam-pifandraisana sy fifampiakinana misy eo amin ny teny na andian-teny sy ny teny na andian-teny fototra mikambana ao amin ny andian-teny lehibe kokoa. Ireto ny anjara asa mateti-pitranga ao amin ny fehezanteny: ny entimilaza sy ny lazaina ary ny fameno. Amin ny fitsipiteny malagasy, ankoatra ny entimilaza sy lazaina ary ny fameno, dia avahana koa ao amin ny fehezanteny ny reny lazaina sy ny zana-dazaina, ny reny entimilaza sy ny zanakentimilaza, ny reny fameno sy ny zana-pameno.

                                               

Mpamari-toetra

Ny mpamari-toetra dia teny ampiraisina aminny anarana na atao entimilaza mba hanambaràna ny toetranny zavatra tondroina aminilay anarana na ny toetranny zavatra tondroina aminny lazaina. Zana-tsokajinny mpamaritra ny mpamari-toetra. Ao aminny fehezanteny iray dia afaka misahana ny anjara asanny entimilaza ny mpamari-toetra ka mety mila andry mpanakambana izany na tsia arakaraka ny fiteny. Afaka ialohavana na arakarahin-teny na andian-teny mameno azy ny mpamari-toetra ka ahazoana ny atao hoe "tarika mpamari-toetra", ary ireo teny maneno azy ireo no atao hoe "famenonny mpamari-toetra".

                                               

Tenim-piontanana

Ny tenim - piontanana dia teny azo ampiasaina mitokana ka tsy voatery hampiarahina aminny teny hafa, mba hanehoana fihetseham-po, na hampitana hafatra aminny fomba tsy mampiasa teny maro, na hakana tahaka feon-javatra.

                                               

Tambinteny

Ny tambinteny dia teny izay natao hanova na hanampy hevitra ny teny na andian-teny hafa toy ny matoanteny, ny mpamari-toetra, ny tambinteny hafa, ny mpampiankin-teny, ny fehezankevitra, ny fehezanteny sns ka ny hevitra ambarany aminizany dia mety ny fomba, ny toerana, ny fotoana, ny fahatetehana, ny hamafy, ny antoka, sns, ka ahafahana mamaly ny fanontaniana hoe: aminny fomba ahoana?, oviana?, aiza?, sns. Ny tarika foroninny tambinteny sy ny teny na tarika mameno azy no anatao hoe "tarika tambinteny". Afaka ialohavana na arakarahin-teny na andian-teny mameno azy ny tambinteny ka ahazoana n ...

                                               

Mpampitohy (fitsipiteny)

Ny mpampitohy dia teny mampifandray teny na andian-teny roa na maro ao amin ny andian-teny lehibe kokoa na ny fehezankevitra na ny fehezanteny iray. Misy karazany roa ny mpampitohy dia ny mpampitohy teny sy ny mpampitohy fehezankevitra. Ny mpampitohy teny dia teny enti-mampitohy teny na andian-teny roa na maromaro mitovy anjara asa sady matetika mitovy sokajy ao amin ny andian-teny lehibe kokoa na fehezanteny na ny fehezankevitra. Ny mpampitohy fehezankevitra izay teny tsy natao hampitohy afa-tsy fehezankevitra ka milaza ny fifampiakinana misy eo amin ireo fehezankevitra ireo dia atao hoe ...

                                               

Mpanampy (fitsipiteny)

Ny mpanampy dia na sokajin-teny na anjara asa, arakaraka ny fiteny na ny mpahay teny. Aminny fitsipiteny mahazatra ao aminireo fiteny eoropeana sy ny fiteny hafa naka tahaka ny fitsipiteniny dia ao aminny sokajinny matoanteny no ahitana ny mpanampy ka misy araka izany ny matoanteny mpanampy izay atao hitondra ny mariky ny filazam-potoana sy ny fiendrika sns ho anny endriky ny matoanteny. Ao aminny fiteny malagasy kosa dia sokajin-teny hafa tanteraka izay mitovitovy aminny tambinteny ny mpanampy fa tsy matoanteny.

                                               

Mpamaritra tompon-javatra

Ny mpamaritra tompon - javatra dia teny ampiraisina aminny anarana mba hilazana ny fifadraisanny olona na zavatra tondroinio anarana io aminny olona na zavatra hafa manam-pifandraisana manokana aminy nefa tsy tononina ny anaranity farany. Tsy voatery mahakasika ny fananana izany fa mety ho fifandraisam-pifamenoana izay azo naseho ara-pitsipiteny aminny alalanny anjara asa mifameno. Mifandray akaiky aminny mpisolo tompon-javatra ny mpamaritra tompon-javatra. Tsy ny teny rehetra no ahitana mpamaritra tompon-javatra aminny maha sokajin-teny azy. Ny teny malagasy dia isanireo fiteny tsy manana ...

                                               

Filaza isa (fitsipiteny)

Ny filaza isa dia marika aminny teny izay milaza na tokana na maro sns ny zavatra tondroina aminio teny io na aminny teny mifandray aminy. Arakaraka ny fiteny no mety hahitana filaza isa aminny sokajin-teny iray ka ny fahita matetika ao aminireo fiteny eoropeana dia ny anarana, ny mpamaritra, ny mpisolo tena ary ny matoanteny tanisaina aminny filaza sasany. Ao aminny teny misy filaza isa dia miova endrika ilay marika ka ao ny endrika milaza tokana sy ny endrika milaza maro. Aminny fiteny sasany dia misy koa ny endrika milaza roa na milaza telo na milaza efatra aza. Ao aminny fiteny malagas ...

                                               

Mpamaritra mampifandray

Ny mpamaritra mampifandray dia teny ao aminny sokajinny mpamaritra izay misahana ny asa fampifandraisana fehezankevitra. Mitovy lenta aminny mpisolo mampifandray ny fikambananny mpamaritra manontany aminny anarana faritany.

                                               

Voalavo

Ny voalavo dia sokajin-drantsono aminny biby mampinono. Na izany aza, ny teny hoe biby dia azo ampiharina ihany koa aminireo karazana biby ivelanny.

                                               

Mpamaritra isa

Ny mpamaritra isa dia teny ao aminny sokajinny mpamaritra izay ampiraisina aminny anarana na ny mpisolo mba hilazana ny isa na ny laharanny zavatra lazaina aminio anarana iraisany io.

                                               

Mpanoritra

Ny mpanoritra dia teny mikambana indrindraindrindra aminny anarana mba hahatonga ity farany ho azo ampiasaina anaty fehezanteny ka hahalalana na fantatra na tsia, na efa noresahina na tsia, na efa azo eritreritra na tsia, ny zavatra tondroina aminio anarana io. Ny mpanoritra dia ampiasaina koa mba hanehoana fa singan-javatra manokana na sokajin-javatra ankapobeny no tondroina aminilay teny ikambanany. Arakaraka ny fiteny dia mety ho soratana eo aloha na aorianny teny ikambanany ny mpanoritra. Tsy ny fteny rehetra no manana mpanoritra sady miovaova ny isanny zana-tsokajinny mpanoritra araka ...

                                               

Mpampiankina

Ny mpampiankina dia teny na andian-teny fohy izay ampiasaina hampifandraisana teny na fehezankevitra roa mba hanehoana ny fifampiankinanizy ireo ara-pifehezan-teny sy ara-keviteny nefa izy ireo tsy mitovy anjara asa. Ny teny na fehezankevitra ampidirinny mpampiakina dia matetika mitana anjara asa fameno milaza antony na vokany na tanjona na fepetra sns. Raha teny no ampiraisina aminny alalanny mpampiankina dia atao hoe mpampiankin-teny ilay mpampiankina, fa raha fehezankevitra kosa dia atao hoe mpampiankina fehezankevitra ilay mpampiankina.

                                               

Mpamaritra manontany

Ny mpamaritra manontany dia teny ao aminny sokajinny mpamaritra izay ampiraisina aminny anarana mba hoenti-manontany ny mombamomba ilay zavatra tondroina aminio anarana io. Mitovy lenta aminny mpisolo manontany ny fikambananny mpamaritra manontany aminny anarana faritany.

                                               

Filaza tsy mitanisa

Ny filaza tsy mitanisa dia endriky ny matoanteny tsy miova na tsy dia misy fiovana firy ka matetika afaka mitana ny anjara asa sahaninny sokajin-teny anarana.

                                               

Tsinjara asa (fitsipiteny)

Ny tsinjara asa dia ny hevitra fonosinny fifandraisanny teny iray na ny tarika iray aminny entimilaza na ny lohatarika ka tsy miankina aminny anjara asa tanany ao aminny tarika na ny fehezankevitra na ny fehezanteny izany. Ao aminny fehezanteny ovana fiendrika na fitodika dia miova ny anjara asanny teny sasany na izy rehetra fa ny tsinjara asany kosa tsy miova.

                                               

Mpamaritra manondro

Ny mpamaritra manondro dia teny kely ao aminny sokajinny mpamaritra izay entinny mpiteny mitarika ny eritreritry ny mpihaino na ny masony any aminny zavatra lazainny teny ikambananilay mpamaritra na anantitranterana ny fampahatsiahivana izany zavatra lazaina izany. Ampiraisina aminny anarana matetika ny mpamaritra manondro nefa arakaraka ny fiteny koa dia mety hampiraisina aminny teny ao aminny sokajy hafa ny mpamaritra manondro. Arakaraka ny fiteny ihany koa dia mety ho andian-teny mihitsy no faritanny mpamaritra manondro.

                                               

Fitsipi-pitenenana

Ny fitsipi-pitenenana na fitsipiteny dia fitambarana fitsipika momba ny fomba tokony hitenenana sy hanoratana ny fiteny iray, ka na aminny lafiny endri-teny izany na aminny lafiny fandrafetana fehezanteny, eny fa hatraminny hevi-teny sy ny feon-teny aza. Ny dikany dia: Ny rafitra ianaran’ny vahoaka rehefa mitombo. Fandinihana ny fiteny: ny fomba fampiasana azy, ary ny zava-drehetra mahakasika izany. Fandihinana ny firafitry ny fehezanteny. Ny vondrom-pitsipika ary ohatra mifehy ny fampiasana ny fiteny. Fitsipi-pitenenana marina no iantsoana izany, tahaka ny ao amin’ny bokin-tsoratra na bok ...

                                               

Tsirinteny

Ny tsirinteny dia hasin-teny tsy mahaleo tena araikitra aminny fototeny mba hanehoana ny anjara asany na ny sokajin-teny misy azy na hanovana ny heviny. Raha ny toerana ametrahana ny tsirinteny no heverina dia misy ny tovona izay fametaka eo alohanny fototeny, misy ny tovana izay fametaka ao aorianny fototeny ary misy ny tsofoka izay fanisika ao anaty fototeny. misy koa ny atao hoe tsirinteny sara-droa izay tsy inona fa tovona sy tovana tsy maintsy ampiasaina miaraka.

                                               

Lazaina (fitsipiteny)

Ny lazaina dia anjara asanny teny izay misahana ny fanaovana ny asa na tomponny toetra resahina ao aminny fehezanteny tsotra aminny fiendrika manano. Raha ovana fitodika io fehezanteny tsotra io dia mety ho ilay teny misahana ny anjara asa na tsinjara asa iharana na toe-javatra no lasa lazaina ka ilay teny nisahana ny anjara asa lazaina teo aloha lasa fameno. Tsy ny anarana na ny mpisolo ary tsy ny mpanao ny asa na ny tompon-toetra ihany no azo atao lazaina. Arakaraka ny fiteny na ny fahafahanny fiteny dia mety azo atao lazaina koa ny sokajin-teny toy ny mpamari-toetra sy ny matoanteny, ny ...

                                               

Tarika (fitsipiteny)

Ny tarika dia teny na andian-teny ao aminny fehezanteny izay ahitana teny fototra atao hoe "loha-tarika" sy teny na andian-teny miankina aminy mivantana na aminny alalanny mpampiankina. Ny tarika dia azo omena anarana araka ny sokajin-teny misy ilay loha-tarika ka misy noho izany ny tarika anarana, ny tarika matoanteny, ny tarika faritoetra, ny tarika mpampiankin-teny, sns raha anarana, matoanteny, mpamaritra, na mpampiankin-teny, sns ilay loha-tarika.

                                               

Mpisolo (fitsipiteny)

Ny mpisolo dia teny izay maka ny toeranny anarana na ny tarika anarana nefa misy sasany izay afaka maka ny toeranny fehezankevitra na fehezanteny iray manontolo koa. Mety misolo ny mpamari toetra koa izany aminny fiteny sasany. Isanny sokajinny mpisolo, ohatra: ny mpisolo tena na mpisolo olona ny mpisolo tompon-javatra ny mpisolo manondro ny mpisolo mampifandray ny mpisolo fotoana ny mpisolo manontany ny mpisolo toerana ny mpisolo manolotra Miovaova arakaraka ny fiteny na arakaraka ny fanaovana tsikera aminny fiteny iray ny zana-tsokajinny mpisolo. Mety miovaova endrika ny mpisolo ka maneh ...

                                               

Mpamaritra (fitsipiteny)

Ny mpamaritra dia teny akambana aminny anarana ao aminny andian-teny na tarika iray mba hilazana ny toetranny zavatra tondroina aminilay anarana na ny fifandraisany aminny zavatra hafa ivelanny fitenenana na ahafahana mampiasa io anarana io. Arakaraka ny fiteny dia mety hiovaova endrika ny mpamaritra iray arakaraka ny toetra ara-pitsipiteny anananilay teny ikambanany na ifandraisany ka isanizany ny fiovana endrika noho ny maha tokana na maro, ny maha lahy na vavy, sns. Afaka ialohavana na arakarahin-teny mameno azy ny mpamaritra ka ahazoana ny atao hoe "tarika mpamaritra", ary ireo teny ma ...

                                               

Fananana aina (fitsipiteny)

Ny fananana aina dia toetra na marika aminny teny izay matetika milaza ny maha manana aina na tsia ny zavatra tondroina aminy ka misy noho izany ny anaranny manana aina sy ny anaranny tsy manana aina ary ny mariky ny manana aina sy ny mariky ny tsy manana aina. Anaranny manana aina ohatra ny anarana ilazana olona fa anaranny tsy manana aina kosa ny anarana ilazana ireo zavatra tsy manana aina tokoa. Arakaraka ny fiteny no anasokajiana ny anarana iray ho anaranny manana aina na anaranny tsy manana aina fa tsy araka ny fahalalana siantifika na ny fahalam-bahoaka azy. Aminireo fiteny ahitana ...

                                     

ⓘ Sokajin-teny

Atao hoe sokajin-teny ny vondrona misy ireo teny afaka mifanolo hisahana anjara asa mitovy am-pehezanteny ao amin’ny fiteny iray. Mizara ho vondrona roa lehibe ny teny, dia ny reniteny sy ny zanateny. Ny sokajin-teny fahita matetika dia ny anarana, ny matoanteny, ny mpamaritra, ny tambinteny, ny tenim-piontanana, ny mpisolo anarana ary ny mpampitohy. Afaka manana anjara asa hafa tsy araka ny mety mahazatra koa anefa ny teny ao amin’ny sokajy iray, ohatra ny matoanteny dia azo atao lazaina koa ao aminny fiteny malagasy.

                                     

1.1. Ireo sokajin-teny fahita matetika Ny anarana

Ny anarana dia teny na andian-teny enti-manondro na milaza zavatra, manana aina na tsy manana aina, hita maso na tsy hita maso, azo tsapain-tanana na tsy azo tsapain-tanana. Mety ho toerana na fotoana na hevitra koa no tondroina aminny anarana.

Ohatra:

Omby, hazo, rivot ra, fanahy, alahelo, mpitolona, fihetsika, tsena, takariva, mpihazaka, fampitomboana, demokrasia, vondrombahoaka, vary aminanana, soatoavina.

                                     

1.2. Ireo sokajin-teny fahita matetika Ny matoanteny

Ny matoanteny dia teny ampiasaina ao aminny fehezanteny na fehezankevitra hilazana asa na toetra na fifandraisana na fisehoan-javatra ka mety miovaova endrika maneho fotoana, fiendrika, filaza, fanehoan-javatra sns. Matetika izy dia misahana ny anjara asa entimilaza na vara.

Ohatra:

Hilahatra, nifampitaona, miarahaba, mampanantena, miasa, avy, tonga, mihomehy, manoratra, nanolo, manameloka.

                                     

1.3. Ireo sokajin-teny fahita matetika Ny mpamari-toetra

Ny mpamari-toetra dia teny ampiraisina aminny anarana na atao entimilaza mba hanambaràna ny toetranny zavatra tondroina aminilay anarana na ny toetranny zavatra tondroina aminny lazaina. Zana-tsokajinny mpamaritra ny mpamari-toetra.

Ohatra:

T sara, mainty, makirana, kizitina, lalina, sariaka, mateza, mando, mijidina, hentitra, velona, malazo, tamana.

                                     

1.4. Ireo sokajin-teny fahita matetika Ny tambinteny

Ny tambinteny dia teny natao hanova na hanampy hevitra ny teny na andian-teny hafa toy ny matoanteny, ny mpamari-toetra, ny tambinteny hafa, ny mpampiankin-teny, ny fehezankevitra, ny fehezanteny sns ka ny hevitra ambarany aminizany dia ny fomba, ny toerana, ny fotoana, ny fahatetehana, ny hamafy, ny antoka, sns. Marihina fa misy sokajin-tambinteny vitsy singa izay voasokajy ho zanateny.

Ohatra:

Tambinteny aminny teny frantsay: merveilleusement, beaucoup, comment, oui, non, bien, jamais, vite, fermement.

                                     

1.5. Ireo sokajin-teny fahita matetika Ny zanateny

Ny zanateny dia teny tsy azo sarahina aminny namany ka tsy afaka mahaleo tena sady atao hilazana ny anjara asanny teny hafa na natao hampifandraisana teny roa hafa ao anaty tarika na fehezankevitra na fehezanteny. Sokajin-teny maromaro no sokajina ho zanateny, dia ny mpampitohy, ny mpampiankina, ny mpisolo, ny mpanoritra, sns. Miovaova arakaraka ny fiteny sy ny hevitry ny mpahay teny ny lisitry ny sokajin-teninny zanateny.

Miavaka ny zanateny noho izy ireo voafetra isa, sarotra miforona, miasa matetika kokoa ary manana hevitra tsy mazava tsara ny ankamaroany, tsy azo soloana aminny mpisolo, matetika izy ireo teny fohy, tokana anjara asa ary mifangaro aminny teny iatsoaona ny anjara asany idraindray ny anarany.

                                     

1.6. Ireo sokajin-teny fahita matetika Ny mpanoritra

Aminny fiteny ahitana azy, ny mpanoritra dia teny akambana indrindraindrindra aminny anarana mba hahatonga ity farany ho azo ampiasaina anaty fehezanteny ka hahalalana na fantatra na tsia, na efa noresahina na tsia, na efa azo eritreritra na tsia, ny zavatra tondroina aminio anarana io. Ny mpanoritra dia ampiasaina koa mba hanehoana fa singan-javatra manokana na sokajin-javatra ankapobeny no tondroina aminilay teny ikambanany.

Tsy ny fiteny rehetra no manana mpanoritra sady miovaova ny isanny zana-tsokajinny mpanoritra arakaraka ny fiteny. Ny fiteny rosiana, ohatra, dia tsy manana mpanoritra.

Ohatra:

Mpanoritra aminny fiteny malagasy: ny, ilay, i, Ra -.

Mpanoritra aminny fiteny frantsay: le, la, les, un, une, des.

Mpanoritra aminny fiteny anglisy: the, a, an.

                                     

1.7. Ireo sokajin-teny fahita matetika Ny zanateny mpamaritra

Ny zanateny mpamaritra dia teny akambana aminny anarana ao aminny tarika iray mba hahafahana mampiasa io anarana io ao anaty fehezanteny ka mety miaraka aminny fanondroana ny kilahivavy, ny lahara-mpandray anjara am-pehezanteny, ny filaza isa sns izy. Isanny zanateny mpamaritra ny mpamaritra isa, ny mpamaritra manondro, ny mpamaritra manontany, ny mpamaritra mampifandray ary ny mpamaritra tompon-javatra.

Ohatra:

Mpamaritra aminny fiteny frantsay: mon, cet, quel, deux.

Mpamaritra aminny fiteny anglisy: my, this, what, two, which.

                                     

1.8. Ireo sokajin-teny fahita matetika Ny mpisolo

Ny mpisolo dia teny maka ny toeranny anarana na ny tarika anarana na ny fehezankevitra na fehezanteny iray manontolo koa. Isanny sokajinny mpisolo ny mpisolo tena, ny mpisolo manondro, ny mpisolo manontany, ny mpisolo mampifandray, ny mpisolo tompon-javatra, sns.

Ohatra:

Mpisolo aminny fiteny malagasy: izaho, aho, iza, izy, ahy, io, izay.

Mpisolo aminny fiteny frantsay: je, me, moi, mien, ceci, dont, nous, vous, on.

Mpisolo aminny fiteny anglisy: we, us, yours, you, this, who.

                                     

1.9. Ireo sokajin-teny fahita matetika Ny mpampitohy

Ny mpampitohy dia teny mampifandray teny na andian-teny roa na maro ao aminny andian-teny lehibe kokoa na ny fehezankevitra na ny fehezanteny iray. Misy karazany roa ny mpampitohy, dia ny mpampitohy teny sy ny mpampitohy fehezankevitra. Ny mpampitohy teny dia teny enti-mampitohy teny na andian-teny roa na maromaro mitovy anjara asa sady matetika mitovy sokajy ao aminny andian-teny lehibe kokoa na fehezanteny na ny fehezankevitra. Ny mpampitohy fehezankevitra sasany, izay teny tsy natao hampitohy afa-tsy fehezankevitra, sady milaza ny fifampiakinana misy eo aminireo fehezankevitra ireo, dia atao hoe mpampiankina fehezankevitra.

Ohatra:

Mpampitohy aminny fiteny malagasy: sy, ary, nefa, na, sa, satria.

Mpampitohy aminny fiteny frantsay: et, ou, mais, or, car, ni, parce que, lorsque.

Mpampitohy aminny fiteny anglisy: and, or, but, because, while.

                                     

1.10. Ireo sokajin-teny fahita matetika Ny mpampiakina

Ny mpampiankina dia teny na andian-teny fohy izay ampiasaina hampifandraisana teny na fehezankevitra roa mba hanehoana ny fifampiankinanizy ireo ara-pifehezan-teny sy ara-keviteny, nefa izy ireo tsy mitovy anjara asa. Ny fehezankevitra ampidirinny mpampiakina fehezankevitra miankina dia matetika mitana anjara asa fameno milaza antony na vokany na tanjona na fepetra sns. Raha teny no ampiraisina aminny alalanny mpampiankina dia atao hoe mpampiankin-teny ilay mpampiankina, fa raha fehezankevitra kosa dia atao hoe mpampiankina fehezankevitra ilay mpampiankina.

Ohatra:

Mpampiankina aminny fiteny malagasy: amy, amina, ana.

Mpampiankina aminny fiteny frantsay: de, avec, pour, contre, vers, hors, par.

                                     

1.11. Ireo sokajin-teny fahita matetika Ny kianteny

Ny kianteny dia teny kely tsy miova endrika manana anjara asa tsy mitovy aminny anny tambinteny na ny mpampiankina na ny mpampitohy. Ny fiteny tsirairay dia samy manana ny kianteniny ary ny mpahay teny tsirairay dia samy manana ny zavatra ao aminny fiteny iray izay ataony hoe kianteny. Kianteny ny hoe dia sy no ao aminny fiteny malagasy.

Ohatra:

Kianteny aminny fiteny malagasy: dia, ka, no.

                                     

1.12. Ireo sokajin-teny fahita matetika Olanny fanasokajiana ho reniteny na zanateny

Misy ny teny sarotra sokajina ho reniteny na zanateny. Isanizany ny tenim-piontanana.

                                     

1.13. Ireo sokajin-teny fahita matetika Ny tenim-piontanana

Ny tenim-piontanana dia teny azo ampiasaina mitokana mba hanehoana fihetseham-po, na hampitana hafatra aminny fomba tsy ampiasana teny maro, na hakana tahaka feon-javatra feom-biby, fipoahana sns.

Ohatra:

Tenim-piontanana aminny teny malagasy: indrisy, oadray, hanky.

Tenim-piontanana aminny teny frantsay: oh, eh, ho, helas.

                                     

2. Ny sokajin-teny ao aminny fiteny sasany

Tsy ary ho voateny eto daholo ny fiteny rehetra misy eranizao tontolo izao fa ny vitsivitsy ihany aminireo no hasian-teny eto.

Ny sokajin-teny ao aminny fiteny malagasy

Ao amin’ny fiteny malagasy, ohatra, dia ahitana ireto sokajin-teny ireto:

  • ny mpisolo, ny mpanampy,
  • ny tambinteny,
  • ny mpanoritra oh.: ny, i, ra sns.
  • ny matoanteny,
  • ny mpampitohy teny oh.: sy, ary,
  • ny tenim-piontanana oh.: endrey, hanky,
  • ny anarana,
  • ny mpampiankina,
  • ny mpampiankina fehezankevitra,

Ny sokajin-teny ao aminny fiteny frantsay

Ao amin’ny fiteny frantsay, ohatra, dia ahitana:

  • ny mpampitohy teny,
  • ny mpamaritra,
  • ny mpampiankina fehezanteny,
  • ny matoanteny,
  • ny tambinteny oh.: vraiment "tokoa", notamment "indrindra",
  • ny anarana oh.: riz "vary", terre "tany",
  • ny tenim-piontanana oh.: hélas "indrisy" sns.
  • ny mpisolo mien "ny ahy"),


                                     

3.1. Ny tsy fitoviana misy eo aminireo fiteny samihafa Fizarànny sokajin-teny

Ny sokajin-teny tsirairay dia mety hahitana fizaràny roa na maro. Ireto misy ohatra ny amin’izany ao amin’ny teny malagasy: Ny sokajin’ny mpamaritra dia mizara ka ahitana ny mpamaritra milaza toetra, ny mpamaritra isa oh.: roa, fahefatra, ny mpamaritra manondro oh.: itsy, io, izany sns. Ny sokajy anarana dia mizara roa ka ahitana ny anarana iombonana sy ny anaran-tsamirery.

                                     

3.2. Ny tsy fitoviana misy eo aminireo fiteny samihafa Fifandraisanny sokajin-teny ao aminny fiteny samy hafa

Ny teny iray ao amin’ny sokajy iray ao amin’ny fiteny iray dia mety tsy hahitana izay teny mitovy hevitra sy sokajy aminy ao amin’ny fiteny iray hafa. Raisina ohatra amin’izany ny tambinteny frantsay hoe vite izay tsy misy teny malagasy sady mitovy hevitra no mitovy sokajy aminy fa ny mpamari-toetra hoe haingana no mitovy hevitra aminy. Maro amin’ny mpampiankin-teny ao amin’ny teny frantsay no tsy misy teny tokana mitovy hevitra aminy fa matoanteny na andian-teny ahitana mpisolo toerana arahina mpamaritra milaza toetra matetika no ampiasaina oh.: fr.: devant = mg.: manoloana ; fr.: sur = mg.: eo ambony. Ny teny hoe ici dia tambinteny ao amin’ny fitsipi-pitenenana frantsay nefa ny hoe eto, izay mitovy hevitra aminy, dia voasokajy ho mpisolo toerana ao aminny fiteny malagasy.

                                     

3.3. Ny tsy fitoviana misy eo aminireo fiteny samihafa Tsy fisianny sokanjin-teny sasany aminny fiteny iray

Tsy voatery hisy amin’ny fiteny eran’izao tontolo izao ny sokajin-teny rehetra. Ny fiteny latina dia tsy ahitana mpanoritra. Ohatra: Cicada cantavit ara-bakiteny: Jorery nihira = "Naneno ny jorery". Ny fiteny malagasy dia tsy ahitana ny atao hoe mpanoritra tsy voafaritra nefa ny fiteny frantsay ahitana izany.

                                     

3.4. Ny tsy fitoviana misy eo aminireo fiteny samihafa Tsy fitovianny isanny teny ao aminny sokajin-teny iray arakaraka ny fiteny

Tsy voatery hitovy ny isan’ny teny ao amin’ny sokajy iray ao amin’ny fiteny roa samy hafa. Maro dia maro ao amin’ny fiteny malagasy ny mpisolo manondro raha ampitahaina amin’ny teny mitovy sokajy aminy ao amin’ny fiteny frantsay na ny fiteny anglisy. Raha ny fiteny frantsay tsy ahitana afa-tsy ny hoe ce sy cette ary ces, ny fiteny malagasy kosa manana ny hoe ity, ireto, izato, io, ireo, iny, ireny, ito, ireto, izany, irý, irerý sns.

                                     

3.5. Ny tsy fitoviana misy eo aminireo fiteny samihafa Tsy fitovianny anjara asanny teny ho anny sokajin-teny mitovy ao aminny fiteny roa

Tsy voatery hitovy ny anjara asan’ny teny mitovy sokajy ao amin’ny fehezanteny ao amin’ny fiteny roa samy hafa. Ny sokajin-teny matoanteny ihany no azo atao entimilaza na afaka mampanjary entimilaza ny teny na andian-teny miaraka aminy ao amin’ny fehezanteny frantsay na anglisy. Ny mpamaritra sy ny anarana ary ny mpisolo anefa dia samy azo atao entimilaza tsy misy matoanteny ao amin’ny fiteny malagasy.

Ohatra: Matory ilay saka matoanteny. Mena ny masony mpamaritra. Kisoa ireny anarana. Io izy mpisolo.

                                     
  • mifandray aminy. Arakaraka ny fiteny no mety hahitana filaza isa amin ny sokajin - teny iray ka ny fahita matetika ao amin ireo fiteny eoropeana dia ny anarana
  • mampifandray ny fikambanan ny mpamaritra manontany amin ny anarana faritany. Sokajin - teny Mpisolo Mpamaritra Mpamari - toetra Mpamaritra isa Mpamaritra manondro
  • Ny voalavo Rattus dia sokajin - drantsono amin ny biby mampinono. Na izany aza, ny teny hoe biby dia azo ampiharina ihany koa amin ireo karazana biby
  • ny isa na ny laharan ny zavatra lazaina amin io anarana iraisany io. Sokajin - teny Mpamaritra Filaza isa Mpisolo Mpamari - toetra Mpamaritra manondro Mpamaritra
  • manokana na sokajin - javatra ankapobeny no tondroina amin ilay teny ikambanany. Arakaraka ny fiteny dia mety ho soratana eo aloha na aorian ny teny ikambanany
  • mpampiankin - teny ilay mpampiankina, fa raha fehezankevitra kosa dia atao hoe mpampiankina fehezankevitra ilay mpampiankina. Sokajin - teny Mpisolo Matoanteny
  • arakaraka ny fiteny ny lisitry ny sokajin - tenin ny reniteny. Ny mampiavaka ireo teny ao amin ity vondron - tsokajin - teny ity dia izy ireo maro dia maro, manana
  • manontany ny fikambanan ny mpamaritra manontany amin ny anarana faritany. Sokajin - teny Mpamaritra Mpisolo Mpamaritra isa Mpamari - toetra Mpamaritra manondro
  • misy fiovana firy ka matetika afaka mitana ny anjara asa sahanin ny sokajin - teny anarana. Filaza Filaza tsotra Filaza mandidy Filaza ifampiankinana Filaza

Users also searched:

...
...
...