Back

ⓘ Boky ara-tantara (Baiboly)




                                               

Baiboly prôtestanta

Ny Baiboly prôtestanta dia Baiboly kristiana araka ny fandikan-tenin’ ny Prôtestanta izay sady vokariny no ampiasainy indrindraindrindra amin ny fotoam-pivavahana. Ny ao amin io Baiboly io dia ahitana bokin ny Testamenta Taloha miisa 39 sy ireo boky 27 ao amin ny Testamenta Vaovao ka manome ny fitambarany ho boky 66. Tsy ahitana ireo boky atao hoe deoterôkanônika ao amin ny Testamenta Talohan ny Baiboly katôlika sy ôrtôdôksa ny ao amin ny Baiboly prôtestanta. Noraiketina izany fanao izany araka ny fanapahan-kevitry ny British and Forein Bible Society tamin ny taona 1825.

                                               

Boky voalohanny Makabeo

Ny Boky voalohanny Makabeo dia boky ao aminny Baiboly jiosy aminny teny grika atao hoe Septoaginta na Septanta. Io boky io dia mitantara ny zavatra nataonny fianakaviana Hasmôneana nandritra ny tolona nataonireo Jiosy ho anny fahaleovantenany teo anelanelanny taona 175 sy 135 tal. J.K. Tsy hita ao aminny Baiboly jiosy aminny fiteny hebreo ny Boky voalohanny Makabeo. Boky deoterôkanônika izy ao aminny Baiboly katôlika sy ny Baiboly ôrtôdôksa fa apôkrifa kosa ho anny Prôtestanta.

                                               

Boky voalohanny Mpanjaka

Ny Boky voalohanny Mpanjaka na Mpanjaka voalohany dia boky ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly izay isan’ireo atao hoe boky fitantarana. Ny Mpanjaka voalohany dia mitantara ny fametrahana an’i Solomona ho mpanjaka, ny fanorenany ny Tempoly voalohany, ny fivakisanny firenena ho fanjakana roa, ny fahotanireo mpanjaka ary ny fandraisananjaranireo mpaminany manoloana izany. Raha mbola tsy maty i Davida dia efa nisy tamin’ireo zanany no niady handimby azy nefa i Solomona ihany no voatendrin’i Davida handimby azy. Nanao fahotana lehibe i Solomona taminny naha-mpanjaka azy ka ho setri ...

                                               

Boky faharoanny Mpanjaka

Ny Boky faharoanny Mpanjaka na Mpanjaka faharoa dia boky ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly izay isan’ireo atao hoe boky fitantarana na ara-tantara. Ao amin’ny Tanakh izy dia isan’ireo bokinny mpaminany. Manohy ny tantaran’ny Fanjakani Joda sy ny ani Isiraely izay niantomboka tao amin’ny Mpanjaka voalohany ity boky ity. Io boky io dia mitantara ny nanjakan’ireo mpanjaka tsirairay hatramin’i Ahazia na Okoziasa ka hatramin’ny faharavan’ny Fanjakan’i Joda. Aseho tsirairay ny nitondran’ireo mpanjakan’i Isiraely sy ny ani Joda izay voahelok’Andriamanitra noho ny tsy fanarahan’izy i ...

                                               

Boky faharoani Samoela

Ny Boky faharoan’i Samoela dia boky hita ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly sy ao amin’ny Tanakh, boky masin’ny Jiosy. Mitantara ny momba an’i Davida, mpanjaka israelita izay isan’ireo malaza indrindra, ny boky. Resahinio boky io koa na ny heriny sy ny fahendreny, na ny fahalemeny sy ny fahotany ary ny vokatr’izany rehetra izany. Ambarany fa na dia tsy fanaperana aza ny toetr’i Davida dia tsy niala amin’Andriamanitra sady tsy nidera afa-tsy i Iahveh.

                                               

Bokinny Mpitsara

Ny Bokinny Mpitsara dia boky ao aminny Testamenta Taloha ao aminny Baiboly sady ao aminny boky masinny Jiosy, dia ny Tanakh. Mitantara ny zavatra malaza nataonireo mpitsara voatendrinAndriamanitra hitondra sy hanafaka ny Zanaki Israely tao aminny tany Kanana taorianny nahafatesani Josoa io boky io. Asehony ihany koa ny fiaimpiainanireo mpitsara ireo sy ny fangejanny firenena hafa ny Zanaki Israely noho ny fialany anAndriamanitra sy ny fiverenany aminy indray ka mahatonga azy ireo hahazo fanafahana. Isanireo atao hoe bokinny mpaminany ny Bokinny Mpitsara ao aminny Tanakh, fa voasokajy ho bo ...

                                               

Bokinny Genesisy

Bokin ny Genesisy na Bokin ny Jenezy na Bokin ny Genesý no iantsoana ny boky voalohany ao amin ny Baiboly. Mitantara ny famoronan Andriamanitra izao rehetra izao sy i Adama sy i Eva, olombelona voalohany, io boky io. Mitantara ny amin ny safodrano tamin ny andron i Noa izay vokatry ny fahotana mihoa-pampana nataon ny taranak ireo olombelona ireo ilay boky. Tantarainy koa ny amin ny nampanjarian Andriamanitra ny fitenin ny olombelona ho maro tamin ny nanamboaran izy ireo ny Tilikambon i Babela. Miresaka momba ireo Razamben ny Israelita toa an i Abrahama sy i Isaka sy i Jakoba ary i Josefa k ...

                                               

Bokinny mpaminany (Baiboly)

Ny bokinny mpaminany na bokim-paminaniana dia fitambarana boky ao aminny Testamenta Taloha ao aminny Baiboly izay inoanny Kristiana fa nosoratanny mpaminany nahazo tsindrimandry na fanilovana avy aminAndriamanitra. Fanasokajiana ao aminny Baiboly kristiana io ka tsy tokony hafangaro aminny hoe "Mpaminany" na Neviim ao aminny Baiboly hebreo. Misy sokajy roa ny bokinny mpaminany, dia ny atao hoe "mpaminany lehibe" sy ny hoe "mpaminany madinika". Ny Baiboly hebreo dia manasokajy ny "Mpaminany" ho "Mpaminany taloha" sy "Mpaminany taoriana". Misy boky ataonny Kristiana ho isanny bokinny mpamina ...

                                               

Boky faharoanny Makabeo

Ny Boky faharoanny Makabeo dia boky ao aminny Baiboly jody aminny teny grika atao hoe Septoaginta na Septanta. Mitantara ny fanoherana nataonireo Makabeo io boky io nefa maneho izany aminny fomba fijery teolojika kokoa fa tsy ara-tantara. Kely kokoa noho ny anny Boky voalohanny Makabeo ny vanim-potoana resahiny: manomboka aminny andro faramparany niainanny mpanjaka seleokida Antiokosy IV Epifanesy ary mifarana aminny fandreseni Jodasy Makabeo ny Jenerany Nikanora, dimy ambinny folo taona taty aoriana. Voasokajy ho deoterôkanônika ny boky ao aminny Baiboly katôlika sy ny Baiboly ôrtôdôksa f ...

                                               

Boky voalohani Samoela

Ny Boky voalohan’i Samoela dia boky hita ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly sy ao amin’ny Tanakh, boky masin’ny Jiosy. Mitantara ny fanombohan’ny fitondrà-mpanjaka voalohany tao amin’ny Israelita sy ny adiny tamin’ny firenena fahavalony ny boky. Resahiny koa ny fahotana nataon’i Saoly sy i Davida, mpanjaka roa voalohany, izay niteraka olana teo amin’ny fitondrany sy ny fireneny.

                                               

Bokini Rota

Ny Bokin’i Rota dia boky ao amin’ny Testamenta Taloha, ao amin’ny Baiboly, sy ao amin’ny Tanakh, boky masinny Jiosy. Mitantara ny fiainan’ny fianakaviana iray tamin’ny andron’ny mpitsara ny boky, ka manasongadina ny fifikiran’ny vehivavy moabita iray, atao hoe Rota, amin’ny rafozambaviny na dia teo aza ny fijaliana nahazo azy ireo. Lasa isan’ireo olona manan-danja indrindra eo amin’ny tantaran’ny Israelita i Rota, na dia avy amin’ny firenena hafa aza, noho ny niterahany ny razamben’i Davida mpanjaka. Avondrona ao amin’ny atao hoe boky ara-tantara ny Bokin’i Rota ao amin’ny Baiboly kristian ...

                                               

Pentateoka

Pentateoka, Boky dimin i Mosesy na Boky dimin i Môizy no iantsoana ny fitambaran ireo boky dimy voalohany ao amin ny Baiboly, izany hoe ao amin ny Testamenta Taloha. Ny fizaràna hafa manampy an io ao amin ny Testamenta Taloha dia ireo Boky ara-tantara sy ireo Bokim-pahendrena ary ireo Bokin ny Mpaminany. Marihina fa ny Kristiana no mampizara efatra ny Testamenta Taloha arak izany. Ny Pentateoka no ataon ny Jiosy amin ny teny hebreo hoe Torah.

Boky ara-tantara (Baiboly)
                                     

ⓘ Boky ara-tantara (Baiboly)

Ny boky ara-tantara na bokin-tantara dia fitambarana boky ao aminny Testamenta Taloha ao aminny Baiboly izay mirakitra aminny ankapobeny ny tantaranny Zanaki Isiraely tao aminny tany Kanana hatrany aminny fahababoany tany Babilona.

Ireto avy ireo boky ireo: Josoa na Jôsoe, ny Mpitsara, ny Rota, ny Samoela voalohany, ny Samoela faharoa, ny Mpanjaka voalohany, ny Mpanjaka faharoa, ny Tantara voalohany, ny Tantara faharoa, ny Ezra na Esdrasa ny Nehemia ary ny Estera. Ny Baiboly katolika dia ahitana boky deoterokanonika dia ny Tobià, ny Jodita ary ny Makabeo voalohany sy ny Makabeo faharoa.

Ao aminny Baiboly hebreo dia sokajina ho isanny "Mpaminany taloha" hebreo: Neviim aharonim ny hatraminny Bokini Josoa na Jôsoe ka hatraminny Boky faharoanny Mpanjaka. Ny boky ara-tantara sisa dia voasokajy ao aminny atao hoe "Soratra" hebreo: Ketuvim, ka isanizany ny Boky voalohanny Tantara sy ny Boky faharoanny Tantara.

                                     

1. Ao aminny Baiboly kristiana sy ao aminny Tahakh

Tsy misy ny sokajy boky ara-tantara ao aminny Baiboly jiosy aminny teny hebreo Tanakh fa voatsinjara aminny atao hoe "Mpaminany" na Neviim sy "Soratra" Ketuvim ny boky ara-tantara ao aminny Baiboly kristiana.

Ny Bokini Rota, ny Boky voalohanny Tantara, ny Boky faharoanny Tantara, ny Bokini Nehemia ary ny Bokini Estera dia isanny Ketuvim. Ny Bokini Josoa na Jôsoe, ny Bokinny Mpitsara, ny Bokini Rota, ny Boky voalohani Samoela, ny Boky faharoani Samoela, ny Boky voalohanny Mpanjaka, ny Boky faharoanny Mpanjaka, ny Boky voalohanny Tantara ary ny Boky faharoanny Tantara dia isanny Neviim.

                                     

2. Famintinana ny boky tsirairay

Boky ara-tantara protokanonika

Ireo boky ireo dia hita aminny Tanakh sy ny Baibolinny fiangonana kristiana rehetra na katolika na protestanta na ortodoksa.

Ireo boky ara-tantara deoterokanonika

Tsy hita ao amin ny Tanakh sy amin ny ankamaroan ny Baiboly protestanta ireto boky ireto fa hita kosa ao amin ny Baiboly katolika. sy aminireo Baiboly ortodoksa.

                                     

2.1. Famintinana ny boky tsirairay Boky ara-tantara protokanonika

Ireo boky ireo dia hita aminny Tanakh sy ny Baibolinny fiangonana kristiana rehetra na katolika na protestanta na ortodoksa.

                                     

2.2. Famintinana ny boky tsirairay Bokinny Mpitsara

Ny Bokinny Mpitsara dia mitantara ny zava-bitan ireo mpitsara voatendrin Andriamanitra hitondra sy hanafaka ny Zanak i Israely tao amin ny tany Kanana taorian ny nahafatesan i Josoa. Asehony ihany koa ny fiaimpiainan ireo mpitsara ireo sy ny fangejan ny firenena hafa ny Zanak i Israely noho ny fialany an Andriamanitra ary ny fiverenany amin Andriamanitra indray ka mahatonga azy ireo hahazo fanafahana.

                                     

2.3. Famintinana ny boky tsirairay Bokini Rota

Ny Bokin’i Rota dia mitantara ny fiainan’ ny fianakaviana iray tamin’ ny andron’ ny mpitsara, ka manasongadina ny fifikiran’ ny vehivavy moabita iray, atao hoe Rota, amin’ ny rafozambaviny na dia teo aza ny fijaliana nahazo azy ireo. Lasa isan’ ireo olona manan-danja indrindra eo amin’ ny tantaran’ ny Israelita i Rota, na dia avy amin’ ny firenena hafa jentilisa aza, noho ny niterahany ny razamben’ i Davida mpanjaka.

                                     

2.4. Famintinana ny boky tsirairay Boky voalohani Samoela

Ny Boky voalohan’i Samoela dia mitantara ny fanombohan’ ny fitondrà-mpanjaka voalohany tao amin’ ny Israelita sy ny adiny tamin’ ny firenena fahavalony. Resahiny koa ny fahotana nataon’ i Saoly sy i Davida, mpanjaka roa voalohany, izay niteraka olana teo amin’ ny fitondrany sy ny fireneny.

                                     

2.5. Famintinana ny boky tsirairay Boky faharoani Samoela

Ny Boky faharoan’i Samoela dia mitantara ny momba an’ i Davida, mpanjaka israelita isan’ ireo malaza indrindra. Resahin io boky io koa na ny heriny sy ny fahendreny, na ny fahalemeny sy ny fahotany, ary ny vokatr’ izany rehetra izany. Ambaranio boky io fa na dia tsy fanaperana aza ny toetr’ i Davida dia tsy niala amin’.Andriamanitra sady tsy nidera afa-tsy i lahveh izy.

                                     

2.6. Famintinana ny boky tsirairay Boky voalohanny Mpanjaka

Ny Boky voalohan’ny Mpanjaka na Mpanjaka voalohany dia mitantara ny fametrahana an’ i Solomona na Salômôna ho mpanjaka, ny fanorenany ny Tempoly voalohany, ny fivakisan ny firenena ho fanjakana roa ny Fanjakani Jodà sy ny ani Israely, ny fahotan ireo mpanjaka ary ny fandraisana anjaran ireo mpaminany manoloana izany. Nanao fahotana lehibe i Solomona taminny naha mpanjaka azy ka ho setrin’ izany dia nivaky roa ny firenena taorian’ ny nahafatesany. Tsaraina amin’ ny fifikirany na tsia amin’ Andriamanitra ny mpanjaka tsirairay voatantara ao amin’ ny boky.

                                     

2.7. Famintinana ny boky tsirairay Boky faharoanny Mpanjaka

Ny Boky faharoan’ny Mpanjaka na Mpanjaka faharoa dia manohy ny tantaran’ny Fanjakan’i Jodà sy ny an’ i Israely izay niantomboka tao amin’ ny Boky voalohanny Mpanjaka. Mitantara ny nanjakan’ ireo mpanjaka tsirairay hatramin’ i Ahozia na Ahazia ka hatramin’ ny faharavan’ ny Fanjakan’ i Jodà io boky io. Asehon’ny boky fa navela ho rava ny Fanjakan’i Israely sy ny Fanjakan’ i Jodà noho izy ireo nanjakan’ ny tsy finoana an’ Andriamanitra.

                                     

2.8. Famintinana ny boky tsirairay Boky voalohanny Tantara

Ny Boky voalohan’ny Tantara na Tantara voalohany dia manazava ny tantaran’ ny Fanjakan’ i Isiraely sy ny Fanjakan’ i Joda hatramin’ ny famoronana an’ i Adama. Ny mpanjaka Davida no olona resahina indrindra ao. Izy no nanao an’ i Jerosalema ho ivontoeran’ ny fivavahana amin’ i Iahveh Andriamanitra. Ao amin’ io boky io dia aseho ho modely amin’ ny fanompoana amim-pinoana sy fanajana an’ Andriamanitra i Davida.

                                     

2.9. Famintinana ny boky tsirairay Boky faharoanny Tantara

Ny Boky faharoan’ny Tantara na Tantara faharoa dia manomboka amin’ ny tantaranan’ ny fanjakan’ i Solomona izay fotoana nanorenana ny Tempoly voalohany tao Jerosalema. Avy eo mitantara ny nivakisan’ ny fanjankana ho roa ny boky: Fanjakan’ i Jodà any atsimo sy Fanjakan’ i Israely any avaratra. I Hezekia sy i Josia no mpanjaka nalaza indrindra tamin’ ny fanompoana an’ Andriamanitra sady nanao izay hanajana ny Lalàn’ Andriamanitra. Asongadin ny boky fa vahoaka mpanota sady tsy niverina tamin’ Andriamanitra nefa tsy nafoin Andriamanitra ny vahoakan’ i Israely.

                                     

2.10. Famintinana ny boky tsirairay Bokini Ezra na Esdrasa

Ny Bokini Ezra na Bokini Esdrasa dia mitantara ny didim-panjakana navoakan’i Persia, dia i Kirosy, tamin’ny taona 537 tal. J.K., sy ny fiverenan’ ny Jiosy afaka taminny fahababoana an-tanindrazana teo ambany fifehezan’ i Zorobabela ary ny nanorenana ny Tempoly. Avy eo ny boky mitantara ny nodiani Ezra na Esdrasa tany Jerosalema ho any amin’ ireo sakaizany izay niara-nifady hanina sy niara-nivavaka taminy mba hahazoany fiarovana avy amin’ Andriamanitra alohan ny hankanesany any Jerosalema. Tao Jerosalema dia naheno i Ezra fa betsaka ny Jiosy nanambady vehivavy tsy Jiosy, ka midika ho fandotoa-tena izany. Nivavaka ho azy ireo i Ezra sady nandresy lahatra azy ireo mba hanary ny vady aman-janany.

                                     

2.11. Famintinana ny boky tsirairay Bokini Nehemia

Ny Bokini Nehemia mitantara ny fikasan’i Nehemia hanangana ny manda efa nirodana indray. Nanendry an’ i Nehemia ho governoran’ i Jodà ny mpanjakani Persia mba hahatanterahany ny faniriany nefa nisy ny tsy nankasitraka ny fananganana ny manda, dia ireo governeran’ ny tanàna mpifanolo-bodirindrina amin i Jodà. Vita ihany ny manda. Nanao fanarenana ara-tsosialy sy ara-pivavahana koa i Nehemia. Rehefa niverina tao Jerosalema indray i Nehemia dia nahita fa niharatsy ny fiainan’ ny Jiosy tamin’ ny fahotana maro toy ny fanambadiana vehivavy hafa firenena, ka nitoetra tao Jerosalema izy mba hampihatra indray ny Lalàn’i Mosesy.

                                     

2.12. Famintinana ny boky tsirairay Bokini Estera

Ny Bokin’i Estera dia mitantara ny amin’ ny vehivavy Jiosy iray atao hoe Estera izay lasa vadin’ i Ahasoerosy na Kserksesy I mpanjakan’i Persia, sady nanavotra ny mpiray tanindrazana izay saika ringana araka ny fikasan-dratsin i Hamàna piraiministra ary ny amin’ ny fetin’ ny Porima izay ankalazana izany fahafahana izany. Niseho tao Persia ny tantara, ao aminny tanànani Sosa na Soza na koa Sosàna tamin’ny nanjakan’i Ahasoerosy. Maneho ny fanandratana ny osa sy ny famaizana ny mpiavonavona io boky io.

                                     

2.13. Famintinana ny boky tsirairay Ireo boky ara-tantara deoterokanonika

Tsy hita ao amin ny Tanakh sy amin ny ankamaroan ny Baiboly protestanta ireto boky ireto fa hita kosa ao amin ny Baiboly katolika. sy aminireo Baiboly ortodoksa.

                                     

2.14. Famintinana ny boky tsirairay Bokini Tobià

Ny Bokini Tobià na Bokini Tobita dia boky mitatitra ny tantaran ny Israelita iray atao hoe Tobia sy ny rainy atao hoe Tobita isanireo natao sesitany tany Ninive. Lasa jamba raha nilatsahan ny taim-borona i Tobita. Nentin ny anjely Rafaela tany Ekbatana i Tobia hanjono trondro halaina fo sy aty ary afero. Nahasitrana ny mason-drainy sy nandroaka ny devoly nampijaly an i Sara, vehivavy ampahorin ny demony Asmodea, ny aferon ilay trondro.

                                     

2.15. Famintinana ny boky tsirairay Bokini Jodita

Ny Bokini Jodita dia mitantara ny nampitsaharan i Jodita, vehivavy jiosy, ny horohoro nahazo ny Jiosy noho ny hanafihan ny Asiriana azy ireo, tamin ny nanapahan i Jodita ny lohan ilay jeneraly asiriana atao hoe Holoferna. Nitsahatra noho izany ny tahotra sady velona indray ny finoan ny Jiosy an Andriamanitra.

                                     

2.16. Famintinana ny boky tsirairay Boky voalohanny Makabeo

Ny Boky voalohanny Makabeo dia mitantara ny zavatra nataon ny fianakaviana hasmoneana nandritra ny tolona nataon ireo Jiosy ho an ny fahaleovantenany teo anelanelan ny taona 175 sy 135 tal. J.K. Nandray ireo lohahevitra hita ao amin ny tantaran ny Jiosy tany aloha ny mpanoratra, indrindra ny amin ny fitandremana ny Lalàna izay zava-dehibe indrindra amin ny zavatra rehetra. Amin ny mpanoratra dia fanompoana an Andriamanitra ny fanompoana ny tanindrazana.

                                     

2.17. Famintinana ny boky tsirairay Boky faharoanny Makabeo

Ny Boky faharoanny Makabeo dia mitantara ny fanoherana nataon ireo Makabeo nefa maneho izany amin ny fomba fijery teolojika kokoa fa tsy ara-tantara. Loharano ahafantarana ny niantombohan ny ady teo amin ny Jodeana sy ny Seleokida io boky io. Ahitana zavatra manakaiky ny lovantsofin ny Fariseo koa ao, dia ny finoana ny tsy feteza-matinny fanahinolombelona sy ny fitsanganan-ko velona.

                                     

3. Jereo koa:

Fanasokajiana ny boky ao aminny Testamenta Taloha kristiana:

  • Pentateoka na Boky dimini Mosesy
  • Boky ara-tantara
  • Bokim-pahendrena
  • Bokinny mpaminany

Fanasokajiana ny boky ao aminny Baiboly jiosy:

  • Torah Lalàna
  • Neviim Mpaminany
  • Ketuvim Soratra
                                     
  • boky ara - tantara kosa izy ao amin ny Baiboly kristiana. Atao hoe ספר שופטים Sefer Shoftim, izay midika hoe bokin ny mpitsara ny anaran io boky io
  • ny boky voalohany ao amin ny Baiboly Mitantara ny famoronan Andriamanitra izao rehetra izao sy i Adama sy i Eva, olombelona voalohany, io boky io.
  • Lalàna na Pentateoka sy Boky ara - tantara sy Bokin ny Olon - kendry ary Bokin ny Mpaminany ny Testamenta Taloha ao amin ny Baiboly DIEM. Ireto ny Bokin ny
  • misy boky izay ataon ny Jiosy hoe Mpaminany izay voasokajy ho boky ara - tantara ao amin ny Baiboly kristiana, toy ny Bokin i Josoa hatramin ny Boky faharoan ny
  • antsipiriany momba ireo lohahevitra ara - tsiansa sy ara - tantara ary ara - jeografia. Izany dia midika fa ny mpanoratra ny Baiboly dia nanaraka ny sitrapon Andriamanitra
  • nataon ireo Makabeo io boky io nefa maneho izany amin ny fomba fijery teolojika kokoa fa tsy ara - tantara Kely kokoa noho ny an ny Boky voalohan ny Makabeo
  • famonjen Andriamanitra ny olony ilay boky Ny Bokin i Josoa dia isan ireo atao hoe boky ara - tantara ao amin ny Baiboly kristiana, fa bokin ny mpaminany na
  • Ny Boky voalohan i Samoela dia boky hita ao amin ny Testamenta Taloha ao amin ny Baiboly sy ao amin ny Tanakh, boky masin ny Jiosy. Mitantara ny fanombohan ny
  • amin ny hoe Nomery na Fanisana na Fivahiniana dia boky fahefatra ao amin ny Baiboly izay manohy ny tantara ao amin ny Eksodosy na Eksaody momba ny fivezivezen ny
  • amin ny atao hoe boky ara - tantara ny Bokin i Rota ao amin ny Baiboly kristiana fa isan ireo atao hoe Ketuvim soratra kosa ao amin ny boky masina hebreo

Users also searched:

...
...
...