Back

ⓘ Fianakaviam-piteny




                                               

Fianakaviam-piteny hmông-miena

Ny fiteny hmông-miena na fiteny miaô-iaô dia fianakaviam-piteny ao aminny faritra atsimo ao Sina sy ao Indôsina. Ao aminny faritra be tendrombohitra ao aminny faritra atsimo ao Sina no tena miteny azy. Nandritra ny teloarivo na efatrarivo taona farany dia nifindra monina any Tailandy, any Laôsy, any Vietnamy ary any Birmania ny vahoaka hmonga sy ny vahoaka miena sasany. Ny adin-tafika nifanesy tao Indosina dia nahatonga ny mponina hmonga maro handao ani Azia Atsimo Atsinanana ka hifidra any Aostralia sy any Etazonia ary any aminny firenena tandrefana maro hafa koa.

                                               

Fianakaviam-piteny aostrôaziatika

Ny fiteny aostrôaziatika dia fianakaviam-piteny any Azia Atsimo-Atsinanana sy ao aminny faritra atsinani India. ny teny hoe aostrôaziatika dia avy aminny teny grika izay midika hoe "Azia Atsimo". Ny fiteny aostrôaziatika dia miparitaka anaty erana misaratsaraka sady elanelaninny faritra itenanana fianakaviam-piteny hafa. Heverina ho fiteninny tompon-tany ao Azia Atsimo Atsinanana sy any atsinanani India ireo fiteny ireo noho izy ireo mety efa tao talohanireo fiteny tai-kaday, fiteny aostrôneziana, fiteny sinô-tibetàna ary fiteny indo-eorôpeana izay nentinny mpiavy taty aoriana. Miisa 100 0 ...

                                               

Fianakaviam-piteny sinô-tibetana

Ny fiteny sinô-tibetana dia fianakaviam-piteny any Azia Atsinanana sy Azia Atsimo Atsinanana sy Azia Afovoany ary Azia Atsimo. Isan io fianakaviam-piteny io ireo fiteny sinoa izay ahitana fiteny folo tetenin ny olona miisa 1 350 000 any ho any, sy ireo fiteny tibetô-birmana izay ahitana fiteny miisa 330 any ho any ary tenenin ny olona miisa 70 000 any hoany. Ilay mpikaroka atao hoe Laurent Sagart dia nanolo-kevitra ny hampidirana ny fianakaviam-piteny sinô-tibetana sy ny fianakaviam-piteny aostrôneziana ao amin ny fianakaviambem-piteny atao hoe sinôtibetana-aostrôneziana. Ireo fiteny aostr ...

                                               

Fianakaviam-piteny japônika

Ireto kosa ny fiteny ao amin ny vondrona riokio: fiteny amamy atsimo, fiteny kikay, fiteny amamy avaratra, fiteny tôko-nô-sima, fiteny ôki-nô-erabo, fiteny ôkinaoaiana, fiteny konigamy, fiteny iôrôna, fiteny miiakô, fiteny iaeiama ary fiteny iônagony

                                               

Fianakaviam-piteny nilô-sahariana

Ny fiteny nilô-sahariana dia fianakaviam-piteny ao Afrika atsimoni Sahara, ao aminny faritri Nily Ambony sy ny ani Sahara-Ambony izay mahafaoka ani Nobia. Araka ny fanombanana tanaoni Lionel M. Bender taminny taona 2004 dia misy fiteny miisa 200 any ho any ao aminio fianakaviam-piteny io izay teneninny olona miisa 31 000 any ho any ao aminny Fanjakana miisa 18. Io fianakaviam-piteny io dia ahitana fiteny isan-karazany, izay tsy ranoray mihoatra lavitra ny anny fianakaviam-piteny akaiky azy, dia ny fianakaviam-piteny nizerô-kôngôley, ka iandian-kevitra ny maha fianakaviam-piteny iray ireo f ...

                                               

Fianakaviam-piteny kartveliana

Ny fiteny kartaveliana na kartveliana dia iray aminireo fianakaviam-piteny ao aminny vondrom-piteny kaokaziana miaraka aminny fianakaviam-piteny abkazo-adigiana sy ny fianakaviam-piteny nako-dagestaniana. Ireto ny fiteny ao aminio fianakaviam-piteny io: ny fiteny jeorjiana, ny fiteny lazy, ny fiteny mingrekiana ary ny fiteny svana. Ireo fiteny ireo dia tenenina indrindra ao Jeorjia. Ny fiteny lazy dia tenenina koa ao Torkia, ao aminny sisin-tany manasaraka azy amini Jeorjia.

                                               

Fianakaviambem-piteny nizerô-kôngôley

Ny fiteny nizerô-kôngôley na fiteny nizer-kôngô dia vondrom-pianakaviam-piteny afrikana maro mpiteny indrindra sady miparitaka amim-beleran-tany midadasika indrindra. Ny ankamaroan ny fiteny afrikana dia ao amin io fianakaviam-piteny io, izay ahitana fiteny miisa 1 525, izany hoe 21%n ny fiteny maneran-tany, ka izy no mitana ny laharana voalohany raha ny isan ny fiteny ao aminy no heverina. Olona miisa 459.000.000 any ho any no miteny nizero-kongoley, izany hoe ny 7%n ny mponina maneran-tany, ka ny antsasaky ny isan ireo fiteny ireo dia tenenin ny olona miisa tsy latsaky ny 29.000 isaky ny ...

                                               

Fianakaviam-piteny oraliana

Ny fiteny oraliana dia fianakaviam-piteny ahitana fiteny miisa manodidina ny 30 izay tetenin ny olona miisa 20 000 any ho any ao Eorôpa sy any Siberia. Ny fiteny oraliana be mpiteny indrindra dia ny fiteny hongariana, ny fiteny finoa ary ny fiteny estôniana. Ny hoe oraliana dia avy amin ny anaran ny tendrombohitra Oraly, izay heverina fa toerana nipoiran io fianakaviam-piteny io. Mizara ho sampana roa ny fiteny oraliana dia ny sampana finô-ogriana sy ny sampana samôieda.

                                               

Fiteny eskimô-aleota

Ny fiteny eskimô-aleota, izay atao hoe fiteny eskaleota na fiteny inoita-aleota, dia fianakaviam-piteny ao Grinlandy, ao aminny faritra Arktika kanadiana any Alaska sy any aminny tendrony atsinanani Rosia. Mizara sampana roa io fianakaviam-piteny io, dia ny sampam-piteny eskimô ahitana ireo fiteny inoita sy ireo fiteny iopîka; ny sampana faharoa dia ny sampana aleota izay miavaka mazava aminio voaloany io.

                                               

Fianakaviam-piteny na-dene

Ny fiteny na-dene dia fianakaviam-piteny amerindiana izay tenenina indrindra ao Alaska sy ao aminny faritra andrefana ao Kanada, ary ao aminny faritra atsimo-andrefana ao Etazonia. Ahitana ny sampam-piteny atapaskana sy ny sampam-piteny eiaka ary ny sampam-piteny tlingita.

                                               

Vondrom-piteny kôisàna

Ny fiteny kôisàna na fiteny kôizàna dia vondrom-piteny teneninny vahoaka koikoy sy ny vahoaka sàna ao aminny faritra atsimo ao Afrika, indrindra ao Bôtsoana, ao Namibia, ao aminny faritanini Noord-Kaap ao Afrika Atsimo, ary ao aminny tapany atsimoni Angôla. Ny fiteny koisàna dia miavaka noho ny fampiasany renifeo atao hoe klika. Ny fiteny kongekoka dia mampiasa karazana klika mihoatra ny 50 aminny hasim-peo miisa 140. Tsy mamorona fianakaviam-piteny tokana ireo fiteny koisàna ireo nefa azo zaraina ho fianakaviam-piteny telo miavaka tsara, afa-tsy ny fiteny hadza sy ny fiteny sandaoe izay h ...

                                               

Fianakaviam-piteny tay-kaday

Ny fiteny tay-kaday dia fianakaviam-piteny izay nantsoina hoe fiteny daîka tany aloha, izay ahitana fiteny miisa zato any ho any izay tenenina ao amin ny saikanosin i Indôsina sy any amin ny faritra atsimo ao Sina ary tetenin ny olona miisa 100 000 any ho any. Taloha, ireo fiteny tay-kaday dia nosokajina ho isan ny fianakaviam-piteny sino-tobetàna, nefa tsy ny voambolana fototra no nanorenana izany fanasokajiana izany fa ny fisian ny voanteny nifampindramana. Misy koa ireo mpahay teny izay te hampifanatona ny fiteny tay-kaday amin ny fiteny aostrôneziana noho ny fahitana mpisolo, anaran ny ...

                                               

Vondrom-piteny

Ny vondrom-piteny dia fianakaviam-piteny maromaro izay tsy fantatra mazava ny fihavanany. Ireto ny vondrom-piteny lehibebe. Vondrom-piteny amerindiana Vondrom-piteny papoa Vondrom-piteny paleo-siberiana Vondrom-piteny kaokaziana Vondrom-piteny koizana Vondrom-piteny any Andamàna Vondrom-piteninny tompontanini Aostralia.

                                               

Fianakaviam-piteny bonobàna

Ny fiteny bonobàna na fiteny bonabàna dia iray aminny fianakaviam-piteninny tompon-tanini Aostralia, isanireo fiteny aostraliana. Ahitana fiteny roa ity fianakaviam-piteny ity, dia ny fiteny bonoba sy ny fiteny goniandy.

                                               

Fianakaviam-piteny pama-niongàna

Ny fiteny pama-niongana dia fianakaviam-piteny teneninny tompon-tany any Aostralia. Io fianakaviam-piteny io dia mamondrona ny ankamaroanny fiteny aostraliana. Isanireo, ohatra, ny fiteny diirbala, ny fiteny kamilaroy, ny fiteny kokok-taiora, ny fiteny martotonira, ny fiteny marto oangka, ny fiteny nanta, ny fiteny pintopy, ny fiteny oalmajary, ny fiteny iankonitjajara ary ny fiteny idiny;

                                               

Fiteny anatôliana

Ny fiteny anatôliana dia vondrom-piteny ao aminny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana, ahitana ireo fiteny maty notenenina tao Anatolia taminny Andro Taloha toy ny fiteny hitita, fiteny lovita, fiteny palaita, fiteny lidiana, fiteny likiana, fiteny miliana, fiteny kariana, fiteny sidetika ary ny fiteny pisidiana.

                                               

Fiteny iôroba

Ny fiteny iôroba dia fiteny ao Afrika Andrefana isanny vondrom-piteny iôroboida. Isanny fianakaviam-piteny nizero-kongoley io vondrom-piteny io. Ao Nizeria no tena maro olona miteny iôroba.

                                               

Fiteny ômôtika

Ny fiteny ômôtika dia fianakaviam-piteny ao Afrika Atsinanana, ka ny ankamaroany dia tenenina ao Etiopia. Mbola iadian-kevitra anefa ny fidiranny fiteny ômôtika ho isanny vondrom-piteny hamito-semitika. Mahazatra ny fiheverina azy ho sampana andrefana ao aminny fiteny kositika. Aminny mpahay teny sasany dia sampana mahaleo tenanny fiteny hamito-semitika ny fiteny ômôtika.

                                               

Fiteny tôkariana

Ny fiteny tôkariana na fiteny agni-kôtsy dia vondrom-piteny ao aminny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana, ahitana ireo fiteny maty telo, dia ny fiteny agneana sy ny fiteny kotseana ary ny fiteny kroraniana, izay notetenina tao aminny lemaki Tarima taminny taonarivo voalohany taor. J.K., ao atsimonny faritra mizakatenani Xinjiang any Sina.

                                               

Fiteny helenika

Ny fiteny helenika dia vondrom-piteny ao aminny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana, ahitana ny fiteny mikeniana, ny fiteny arkadiana, ny fiteny kipriôta, ny fiteny pamfiliana, ny fiteny grika taloha, ny fiteny grika kôine, ny fiteny grika vaovao, ny fiteny iôniana, ny fiteny beôtiana, ny fiteny lesbiana, ny fiteny tesaliana, ny fiteny makedôniana taloha, ny fiteny dôriana, ny fiteny eleana, ny fiteny etôliana, ny fiteny lôkriana ary ny fiteny fôkidiana.

                                               

Fiteny keltika

Ny fiteny keltika na fiteny seltika dia vondrom-piteny ao aminny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana, izay misampana roa, ka ahitana ireo fiteny keltika an-tanibe sy ireo fiteny keltika a-nosy. Fiteny keltika an-tanibe: fiteny gaoloà, fiteny lepontika, fiteny keltibera, fiteny galatiana na galata, fiteny norika, Fiteny gaelika: fiteny ekôsey, fiteny irlandey, fiteny gaelga), Fiteny britônika: fiteny galoà na kimrika, fiteny kornika, fiteny bretôna, fiteny kambriana ary fiteny pikta.

                                               

Fiteny balta

Ny fiteny balta dia ireo fiteny ao aminny vondrom-piteny baltô-slava ao aminny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana. Isanizany ny fiteny litoaniana, ny fiteny letôna, ny fiteny korôniana, ny fiteny selôniana, ny fiteny semigaliana, ny fiteny skalviana ary ny fiteny sodôviana.

                                               

Fiteny ôsko-ômbriana

Ny fiteny ôsko-ômbriana na fiteny sabelika dia sampanny vondrom-piteny italika ao aminny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana. Ireto ireo fiteny ôsko-ômbriana, izay ahitana fiteny tsy misy mampiasa intsony, dia: ny fiteny ôska sy ny fiteny ômbriana ary ny fiteny maro hafa koa.

                                               

Fiteny goragea

Ny fiteny goragea dia vondrom-piteny semitika atsimo izay isanny sampana semitikanny fianakaviam-piteny afroaziatika. Atao hoe ጉራጌ / Guragē, io fiteny io aminny fiteny amharika. Ny vahoaka goragea monina ao aminny Faritra Goragea no miteny goragea.

                                               

Fiteny dary

Ny fiteny dary, izay atao hoe fiteny persàna afgàna na fiteny farsy atsinanana, dia endriky ny fiteny persàna teneina indrindraindrindra ao Afganistàna. Ao aminny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana, ao aminny sampana indô-iraniana, ao aminny zana-tsampana iraniana no misy azy.

                                               

Fiteny tajiky

Ny fiteny tajiky, na fiteny tôjik y, dia endriky ny fiteny persana tenenina ao Tajikistàna. Mitovitovy aminny fiteny dary izay samy endriky ny fiteny persàna io fiteny io. Ao aminny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana, ao aminny sampana indô-iraniana, ao aminny zana-tsampana iraniana no misy azy.

                                               

Fiteny egiptiana demôtika

Ny fiteny egiptiana demôtika dia endriky ny fiteny tany Egipta taminny Andro Taloha izay nosoratana tsy taminny sora-masina, fa taminny endrika notsorina aminio soratra io. Taminny taonjato faha-7 tal. J.K. hatraminny taonjato faha-5 tal. J.K. no nitenenanana io fiteny io. Izy io koa no niavianny fiteny kôpta. Ilazana ny tarehin-tsoratra nanoratana izany fiteny izany koa ny hoe demôtika "soratra demôtika". Ny hoe demôtika dia avy aminny teny grika hoe δημοτικά / dêmotiká izay midika hoe "anny vahoaka". Ny fiteny egiptiana demôtika dia ao aminny sampam-piteny egiptiana taloha, izay ao aminn ...

                                               

Fiteny kashmiry

Ny fiteny kashmiry dia fiteny ao India ao aminny sampanany fiteny indo-iraniana ao aminny fianakaviam-piteny indo-eoropeana. Tenenina ao Kashmira ny fiteny kashmiry sady soratana aminny tarehin-tsoratra arabo, izay tsy inona fa ny abidy arabo nasiam-panovana sady karazanny abidy persana, sahala aminny abidy ordoa na ny devanagry. Taloha io fiteny io dia nosoratana taminny abidy sharda. Aminny fiteny kashmiry dia atao hoe کٲشُر / kạ̄šur na कॉशुर / kạ̄šur izy.

                                               

Fiteny gaelika ekosey

Ny fiteny gaelika ekosey dia fiteny ao aminny sampana gaelikanireo fiteny seltika izay mikambana aminny fianakaviam-piteny indo-eoropeana. Ao Ekosy ao aminireo Tany Ambony sy ao aminireo Hebrida no tena itenenana azy. Teneninny vahoaka sasany ao Ekosy Vaovao ao Kanada, indrindra ao aminny nosini Cap-Breton, noho ny fisianny fifindra-moninny tantsaha ekosey noroahinireo mpanan-tany taminny taonjato faha-19; ny endrikio fiteny io any Kanada no atao hoe gaelia kanadiana.

                                               

Fiteny birmana

Ny fiteny birmana dia ao aminny fianakaviam-piteny tibeto-birmana. Fiteny ofisialini Birmania ny fiteny birmana izay tenin-dreninny olona 43 tapitrisa aminhy 55.7. Nipoitra taminny tany lempona afovoany ao aminio faritra io ny fiteny birmana, nefa misy fiavahany aminny fitenim-paritra birmàna hafa toy ny fiteny rakîna ao aminny faritanini Arakàna izay tena akaiky ny fiteny intà ao aminny farihy Inle izay misy fiavahany aminy bebe kely. Miisa 10 tapitrisa any ho any ny olona miteny birmana ho fitehy faharoa ao Birmania izay manao azy ho fiteninny fampianarana.

                                               

Fiteny sesoto

Ny fiteny sesoto na fiteny soto atsimo dia fiteny ao aminny tapany atsimoni Afrika. Isanireo fiteny banto ny fiteny sesoto izay ao aminny fianakaviam-piteny nijero-kongoley. Ny vahoaka basoto ao Lesoto no miteny azy indrindra sady mifandray aminireo fiteny soto hafa toy ny fiteny setsoana sy ny fiteny soto avaratra. Taminny taona 1993 dia niisa 1 493 000 ny isanny olona miteny sesoto ao Lesoto ka mahatratra ny 85%nny mponina ao aminio firenena io izany. Taminny taona 2001 dia niisa 3 555 186 ny olona miteny sesoto ao Afrika Atsimo. Iray aminireo fiteny ofisialy iraika ambinny foloni Afrika ...

Fianakaviam-piteny
                                     

ⓘ Fianakaviam-piteny

Ny fianakaviam-piteny dia vondrom-piteny iray fiaviana izay nivoatra tamin ny alalan ny fampitan ny taranaka mifandimbin ny mpiteny azy avy amin ny razam-piteny iraisana. Ny hoe fianakaviam-piteny dia andian-teny ampitahana ny fivoaran ny fiteny amin ny fivoaranny zava-manana aina, araka ny modelin ny fitaranahana. Ny fananganana izany fihavananan ny fiteny izany no ivon ny fikarohan ny haiteny ara-tantara. Ny ankamaroan ny fiteny eto amin izao tontolo izao dia azo avondrona anaty fianakaviam-piteny. Araka ny fampitahana azy ireo amin ny hazo dia atao hoe sampam-piteny ny vokatry ny fizaràna ny fianakaviam-piteny. Ny fiteny izay tsy fanta-piaviana dia ata hoe fiteny manirery.

                                     

1. Fianakaviam-piteny lehibe

Ireto ny fiankaviam-piteny lehibe misy eto aminizao tontolo izao:

  • Fianakaviam-piteny nizerô-kôngôley
  • Fianakaviam-piteny indô-eorôpeana
  • Fianakaviam-piteny nilô-sahariana
  • Fianakaviam-piteny afrô-aziatika na fianakaviam-piteny hamitô-semitika
  • Fianakaviam-piteny altaika
  • Fianakaviam-piteny eskimô-aleota
  • Fianakaviam-piteny na-dene
  • Fianakaviam-piteny sinô-tibetana
  • Fianakaviam-piteny japônika
  • Fianakaviam-piteny aostrôneziana
  • Fianakaviam-piteny tay-kaday
  • Fianakaviam-piteny dravidiana
  • Fianakaviam-piteny oraliana
  • Fianakaviam-piteny hmông-miena
  • Fianakaviam-piteny aostrôaziatika
                                     

2. Vondrom-pianakaviam-piteny

Ny fianakaviam-piteny sasany dia kely nefa misahana erana ara-jeografia iray ka atambatra ho vondrom-piteny. Ny fianakaviam-piteny izay tsy fantatra mazava ny fihavanany aminny dingana ambony kokoa dia atao hoe vondrom-piteny anerana ara-jeografia ny fiteny amerindiana indrindra no antsoina aminizany. Ireo fiteny izay tsy azo hamarinina ny fihavanany aminny fiteny hafa rehatra dia atao hoe fiteny manirery.

  • Vondrom-piteny papoa;
  • Vondrom-piteny paleô-siberiana;
  • Vondrom-piteny kaokaziana ;
  • Vondrom-piteny amerindiana;
  • Vondrom-piteny kôisàna;
  • Vondrom-piteny any Andamàna.
  • Vondrom-piteninny tompontanini Aostralia ;
                                     
  • aostrôaziatika Fianakaviam - piteny aostrôneziana Fianakaviam - piteny hmông - miena Fianakaviam - piteny tay - kaday Fianakaviam - piteny japônika Fianakaviam - piteny na - dene
  • Fianakaviam - piteny nizerô - kôngôley Fianakaviam - piteny nilô - sahariana Fianakaviam - piteny indô - eorôpeana Fianakaviam - piteny altaika Fianakaviam - piteny oraliana
  • Namibia. Fianakaviam - piteny nilô - sahariana Fianakaviam - piteny afrô - aziatika Fianakaviam - piteny nizerô - kôngôley Vondrom - piteny kôizàna Fianakaviam - piteny aostrôneziana
  • fiteny hamitô - semitika, izay atao hoe koa fiteny afrô - aziatika, dia fianakaviam - piteny tenenina indrindra ao Afrika Avaratra, ao amin ny Tandrok i Afrika
  • Ny fiteny tay - kaday dia fianakaviam - piteny izay nantsoina hoe fiteny daîka tany aloha, izay ahitana fiteny miisa zato any ho any izay tenenina ao amin
  • hiperbôreana dia vondrom - piteny ahitana fianakaviam - piteny madinika efatra ao amin ny tapany atsinanan i Siberia. Ireto avy ireo fianakaviam - piteny ao amin io vondrona
  • aostrôaziatika Fianakaviam - piteny aostrôneziana Fianakaviam - piteny hmông - miena Fianakaviam - piteny tay - kaday Fianakaviam - piteny japônika Fianakaviam - piteny na - dene
  • Ny fiteny môngôlika dia fianakaviam - piteny any Azia Avaratra sy any Azia Afovoany. Matetika dia ampifanakaikezina amin ireo fiteny torkika sy ireo fiteny
  • Ny fiteny dravidiana dia fianakaviam - piteny ahiatana fiteny miisa 30 any ho any izay samy avy ao India avokoa, ka tenenina indrindra ao atsimon i India
  • iray amin ny fianakaviam - piteny ao amin ny vondrom - piteny kaokaziana, miaraka amin ny fianakaviam - piteny kartaveliana sy ny fianakaviam - piteny nako - dagestaniana

Users also searched:

...
...
...