Back

ⓘ Poopy




Poopy
                                     

ⓘ Poopy

Ramahavalisoa José Helihanta fantatra aminny solonanarana hoe Poopy dia Mpanakanto Malagasy. Nianatra teny aminny Lycée Andohalo Izy ary ny anarana hoe Poopy dia solonanarani Giana, izay zanaky ny nenintoany, ka rehefa mitaiza ani Giana izy dia i Giana antsoinankizy hoe "Poopy Kely" ary Izy antsoinizy rehetra hoe "Poopy Be", teo no naharaikitra ny anarani Poopy. Teraka taminny 13 Septambra 1966. Manambady, ary manan-janaka mianadahy izy.

Teraka ary lehibe tao anatinny zava-kanto i Poopy. Miangaly mozika koa mantsy ny rainy ary nitendry Clavier tao taminny tarika Henri Ratsimbazafy nandritra ny 30 taona. Ny nenitoany, Voahirana, mpihira, ary ny renibeny mpanao hatsikana.

                                     

1. Ny nanombohany nihira

Nanampy Choriste ani Voahirana, nenitoany, no nidirani Poopy teo aminny sehatry ny hira. Vao 15 taona monja izy taminizany. Roa taona taoriana, taminny taona 1983, nitady mpihira vehivavy ny tarika Njila izay namani Dadafarani Poopy, ka io Dadafarani Poopy io no nampihaona ani Poopy sy I Njila voalohany, nanao ny hirani Jeanne Moreau i Poopy Taminizany ka babo taminny feony avy hatrany i Njila ary dia nofidianny tarika Njila ho isanny tarika i Poopy. Taminny taona 1990 dia nifindra tao Frantsa ny tarika Njila, i Poopy kosa nisafidy ny hijanona tao Madagasikara ka Taminizay no nanombohany nihira irery Solo. Niara-niasa tamini Solofo Ranarivelo izy ary taminny 1990 no namoaka ny horonam-peo voalohany Andao Handihy izay nivoaka cd tany Japana ihany koa t 1993.Teo dia nandeha matetika taminny Haino Amanjery ilay Hirany hoe "Gina Gina", Ho iray, sns Taminny taona 1991 dia nisy hatrany fiakarana an-tsehatra izay nataoni Poopy, Bodo, Johary Ary i Landy, Nalaza tamin izany i Nafenina nokaloini Poopy sy i Bodo, hira noforonini Poopy fony izy mbola tao aminny tarika Njila t 1987 ary Hery Iray izy niarahany nihira tamini Luc sy MaheryJohary ary Bodo. Teo Ihany koa izy no nanomboka niara niasa tamini Naivo,ary nanomboka teo dia i Poopy ihany no mamorona ny tonon-kirany rehetra ary i Naivo no manao ny feony sy miahy azy eo aminny tontolonny zava-kanto.Ny taona 1992 no nanakohako taminny haino aman-jery makagasy ilay hira Fitia Voarara izay namafy ny fahatsaranny fiaraha-miasani Poopy sy Naivo.Ary dia Taminny 1993 izy namoaka ny raki-kira Fandresena sy nanamarika ny faha folo taona nihirany ka nanaonfampisehoana maromaro teto andrenivohitra sy nitety faritra maro. Teo no nahazahoany contrat tamin ny BMG Africa ka nankany Afrika Atsimo izy nanao anilay raki-kira Malagasy Rainbow nivoaka t 1995

                                     

2. Ny Nampahalaza azy

1990: nivoaka ny hira sy clip GINA GINA, HO IRAY izay fampiarahampeo niarahany t Haingo. Narahana fampisehoana SOLO voalohany tao roxy niarahany t tarika Johary, nasainy t izany i Bodo! 1991: nitohy ny fanaparitahana sy fampahafantarana ny sanganasany. 1992:septambra!Niaka-tsehatra voalohany namaky ny sehatra maitsonantsahamanitra i Poopy! 1993: Feno 10 taona ny niakarany antsehatra! nivoaka ny hira TSY NATOLONY, mitantara ny fiainanny mpanao politika ka sady noraisinny olona ho hiram-pitiavana ihany koa! Nibahana t sanganasany ny gadonkira afrika atsimo, androy, zany hoe ny gadona mihetsika gasigasy ka anisanny nanaitra ny BMG Africa hiara hiasa aminy. 1994: Tafaverina tany Afrika atsimo i Poopy ary nanao fampisehoana maro manerana ani madagasikara. Feno hiboka zay toerana rehetra nalehany. Narahana hira vaovao maro be hatrany tonga dia hainny mpankafy "TIA", LAVITRA AZY, Ilay tahirin-tsary Wedding Prayer no anisanny nametraka ny lazani Poopy rehefa nandeha irery izy,ary ilay raki-kira Malagasy Rainbow dia anisanireo raki-kira malagasy be mpividy indrindra hatraminizao.Nohonny lazanio raki-kira io dia nanao fampisehoana an-tsehatra maro taminny faritra maro izy ny taona 1995 ary koa nanatontosa Ny horonan-tsarin i ambanivolo", Taniko ", Tolona" ary "Aza Miady" tany any aminny faritra 1995-1996: Nivoatra hatrany ny tarika ary nanomboka niara-niasa t Tsingory, izay mpanao soradia ka dia nampianatra ani Poopy nandihy mihitsy izy ireo ka nanomboka teo dia sady mihira i Poopy no ravahanny dihy iarahny tsingory ny seho ataony, nitohy ny fiaraha-miasa hatr 2005.

Nivoka sy Nalaza nanerana ny nosy ilay HiranI Poopy sy Ricky "1+1",

1997. Taona anisanny tsy dia nisehoani Poopy sehatra loatra satria dia niteraka ny zanany voalohany TAHIANA ISMAEL izy, ka ny faraparanny taona vao nanao fampisehoana tao antsahamanitra niarahany t Gothlieb sy Mbolatiana izay feo lafika tao tarika ihany Nanokatra Ny Seho voalohany tao aminPalais des Sports ao Antananarivo i Poopy Sy Bodo, nanotrina azy tamin izany ny Tarika zay nanao feo lafika ny tarika poopy.

1998 izy no nankalaza ny faha 15 taona nihirany ka namoaka rakikira vaovao, 3 taona taorian ny Malagasy Rainbow, "Ny Tiako rehetra" Fampisehoana tokana no nataony tao Antsahamanitra

1999: seho voalohany nataony nandeha irery tao palais des sports nandritry ny 2 andro nentiny namaranana ny faha 15 taona nihirany!

                                     

3. Ny Fiainam-pianakaviany Sy Ny Talentany Hafa

Ny taona 1997 no nanorina tokantrano i Naivo sy Poopy,ary niteraka ny zanany voalohany nomeny anarana hoe Tahiana ary Tamin ny taona 2000 izy no niteraka ani Miora, izay Zanany Faharoa.

Mahay Mitendry Gitara sy Piano I Poopy, Mahay Mamboatra Volo, Manjaitra ary Manao sary ihany koa. hita ao aminny clip"Sedra" ny fahaizany manao sary, ary nohamafisini Hery Tao aminny Tarika Njila izany nanditry ny Interview iray tao aminny TVM

                                     

4. Ny Niverenanny lazany

Lasa fanaoni Poopy ny manao fampisehoana indroa isan-taona ao aminny Palais des Sports ao Antananarivo ary ny taona 2000 izy dia namoaka ilay raki-kira Fitiavana izay nanatanora ny gadona hataony, Anisanizany ny gadona dance aminilay hira "Zay manao ny marina" izay hira tsy mety lefy laza hatraminizao. Eo koa anefa ny Slow izay nitiavanny maro azy ka tsy mahagaga raha namerina sy nananafy ny lazany indray ilay hira Tena Namana izay hira be mpandefa indrindra taminny haino aman-jery teto Madagasikara ny faranny taona 2000 ary nandritry ny taona 2001. Io koa no lohateninny album navoakany ny taona 2001. Marihana fa à guichet fermé nanomboka teo ny fampisehoana izay hataony ao aminny palais ka nametraka azy ho mpanakanto be mpijery an-tsehatra indrindra,raha toa ka milaza ny mpanao gazety malagasy fa ny talentanny Poopy eo aminny fahaizany mamorona tonon-kira izay mahakasika ny fo sy ny sainny maro no tena heriny. Mitohy izany lazany izany taminny Tahakizay ny taona 2002. Ary dia mipetraka tanteraka ho mpanakanto malagasy manana ny maha-izy azy izy.

Nankalaza ny faha 20 taona niankarany an-tsehatra izy ary hetsika maro no notontonsainny tarika, nivoaka ny rakikira nitondra ny lohateny hoe mifameno ", toy ny mahazatra nisy ny cabaret, ny fampisehoana goavana tao palais des sports 2 andro misesy, ary iray volana taty aoriana tao Antsahamanitra, feno ny toerana rehetra nanaovany fampisehoana ary nofaranany t bouquet final tao eldorado izany.Taminio Taona Io ihany koa.

MMbola nitohy ny lazany ary nnivoaka ny hira "ho ani neny", "ahoana tokoa", "miara-mihira", "ho any aminao", izay nisy rrakitsary avokoa. Nisy fampisehoana niarahany t Dadah sy Fafah tao palais des sports ny volana martsa, ary fampisehoana goavana tao palais des sports ihany ny 01 aogositra 2004 ary tao Antsahamanitra ny 04 septembre 2004 ka namoaka anilay tahirin-kirany "Ho Any Aminao". Nankalaza ny faha 55 taona niorenany ny kolejy Saint antoine ka i Poopy no nalainy hiara hifety izany jobily izany ka nanao fampisehoana indray izy ny volana novembre tao palais des sports. Nivoaka t zay ny hira sy clip vaovao IZY ROA IHANY.

Nisy ny "Che bel canto" novokarinny media consulting izay nandraisani Poopy anjara nanomboka ny taona 2003 ka anjarany no nandray mpanankanto hafa toa ani Njakatiana sy Tovo JHay ny taona 2005.fampisehoana goavana tao palais des sports ary nolalaovina an-tsehatra ny hirany nandritry ny fampisehoana, nivoaka DVD lay fampisehoana Che bel canto. Nivoaka IHANY koa ny "album best of 2005" miisa 3, ary nanao "spectacle musical" nampitondrainy ny anarana hoe Tena Tia niaraka t tsingory tao palais des sports ny volana novembre 2005.

2006: Niely ny feo fa hisotro ronono i Poopy ka hijanona tsy hihira intsony. Taitra ary tsy nanaiky nefa ny mpankafy. Toa tsaho fotsiny ihany nefa ka dia nivoaka ny volana aprily ny hira vaovao SATRIA TIAKO! izay hira anisanny hahalalanny olona ani Poopy hatr zao! Nivoaka ihany koa ny TSY HIADY! KA narahana fampisehoana tao ANTSAHAMANITRA NY VOLANA MAY. Nihaona Tany Frantsa i Poopy sy Njila izay nankalaza ny faha 30 taona Nihirany. Vokatrio Fihaonanio dia nisy ny fiverenan i Poopy niaka-tsehatra indray niaraka tamini Tarika Njila, notontosaina tany ary ny horonan-tsarin ilay hiran i Njila hoe "Ilazao", Ary Dia Tao Frantsa No niantombohani fitetezam-paritra nataon izy Ireo ka nitohy taminny Faritra maro teto Madagasikara izany, Ka nanao fampisehoana goavana 02 andro misesy tao palais des sports ka dia nihanoka indray ny hira nalaza sy nanamarika ny tarika NJILA izy ireo! Tsy hadinoni Poopy anefa ny mpankafy azy ka nandritra io fitetezam-paritra niarahany tamini Njila Io no nolazainy fa hivoaka aminny Volana Septembre 2006 ny raki-kirany vaovao, nomeny ny lohateny hoe "Satria Tiako, raki-kira izay nivoaka ny andronny fampisehoana izay nataony tao aminny palais des sports ny volana novembre toy ny isa-taona!

2007: ny volana feborary, dia niaraka nanao fampisehoana nitondra ny lohateny hoe AM-PITIAVANA i Bodo sy i Poopy, folo taona taty aoriana tao palais des sports, andro vitsivitsy alohanny fampisehoana dia efa guichet fermé!, ary maro ny nitaraina fa tsy tafiditra ka dia niverina niakan-tsehatra indray izy roa ny volana septembre ary namoaka anilay raki-kira vaovao "Tia Foana".

2008: Nankalaza ny 25 taona nihirany i Poopy, ka fampisehoana tao Antsahamanitra sy "CC ESCA" no nentiny nakalazana izany.nivoaka koa ny hira sy raki-tsary vaovao niova dika ". Ka nivoaka t zany koa ny rakikira spécial 25è!

2009: Nanao cabaret tao Sk melody mandriambero i Poopy ka dia betsaka ny tsy tafiditra t zany ka napanantena izy fa hihaona afaka volana vitsivitsy ao palais des sports. Nivoaka ny clip MAMELÀ NY HELOKAY Napa-kevitra ny hiverina an-tsehatra ao palais des sports i Poopy, TSIARO narahini TGC Teo aminny feo lafika, ka nanomana fatratra ny fampisehoana "lava indrindra nandritry 26 taona nihirany" adiny 5 mahery ny fampisehoana ary feno ny lapa.,

2010: Nofidianny RTA ho Reny Mpiahy ny Pazzapa niaraka tamin i Yzit Izy, Nivoaka ny rakitsary DIENY IZAO ary nanao Fampisehoana iray tao Antsahamanitra izy ny volana avril 2010. Niara-nanao cabaret t Njakatiana izy ny volana mars ka taorianizany fiaraha-miasa izany dia nivoaka ny clip RAHA NOFY sy KELY LOATRA niarahanizy roa hisantarana ny fampisehoana "duo inédit" tao palais des sports. Ny volana Desambra nivoaka tao Frantsa nandritry ny fitetezam-paritra nataony ny raki-kirany vaovao "mamelà ny helokay".

2011: Nivoaka Teto Madagasikara ilay rakikirany vaovao "mamelà ny helokay" Niantomboka ny fiaraha-miasani Poopy Sy DIHVIN Mpandihy izay tarihini Navin. Ka nanomana fampisehoana goavana ry zareo ny volana juin tao palais des sports ary nisy fitetezana faritra ihany koa natao. Niray sehatra t REBIKA, BODO ary Njakatiana i Poopy taoriana kelinizay tao anatinny FAMPISEHOANA hoe TAFARAY tao Stade annexe mahamasina!

2012: Nanantontosa fitetezam-paritra tany Frantsa i Poopy ka tao anatinizany no nandaozany ny reny niteraka azy! Nitodidoha niverina antanindrazana izy ka nisy fampisehoana notontonsainy tao "dôme RTA" ny volana jona, narahana cabaret tokana tao red island inn satria hanomana ny 30 taona hiankarany an-tsehatra izy ny taona 2013 raha nanontaniana ka hiataka kely hanomana izany.

Faraparanny taona 2012 dia niteraka resa-be eraky ny tambazotra sosialy sy teny q fiarahamonina fa niova finoana i Poopy! Maro no nanenjika sy lasa tsy nankafy azy intsony sy nanaratsy azy ka niely t izany ny ttsaho rehetra momba azy mivady! Tao ny resaka hoe tsy hihira intsony i Poopy, tao ny hoe lasa nivavaka tany antokopinoana zao sy zao sns maro.

2013: Feno 30 taona ny niakarani Poopy an-tsehatra niandry fankalazana sy fampisehoana ny mpankafy! Tsy nisy anefa izany fa nisy ny fandraisiny anjara taminilay fandaharana hoe "coulisses on tv tao aminny TV plus Madagascar ary tao no nanazavany fa tsy mbola fotoanany angamba hoy izy fa rehefa tonga ny fotoana dia atao ny fankalazana! Tao ihany koa no nentiny nanazavana ofisialy t fahita lavitra momba lay fiovana sy lalana vaovao arahiny ka notsindriny fa tsy niova izy ary nohamafisiny fa MIHIRA ARY HIHIRA FOANA izy fa tsy mbola nilaza na naoviana hoe hijanona ka tsy hanohy intsony! Nasehony t zany fa afaka mihira ny hirany rehetra izy!

2014.Nivahiny tao aminny fandaharana "Belouh" tao aminny RTA i Poopy; tao no anisanny nanazavany bebe kokoa momba ny lalana vaovao arahiny sy ny fahatsiarovana ny fotoana nolalovany tanatinny mozika! Nandray Anjara taminny fampisehoana tolo-tanana nokarakarainny Tarika Mahaleo ho ani Nono; ka nampiara-peo tamini Dama ilay hira hoe "Ise Kely", nandray anjara ihany koa taminny fampisehoana niarahanny mpanakanto malaza maro tao aminny Coliseum Antsonjombe. Ary io Taona 2014 io no notolorani Elia RAVELOMANANTSOA, minisitry ny kolotsaina ny Officier De L ordre Des Arts, Des Lettres et des Cultures"Malgache noho ny 30 taona nilomanosany tao anaty zavakanto! 2015:Nisy fampisehoana "déjeuner-dansant" nataoni Poopy ny volana aogositra!

Niandry fatratra ny mpankafy hoe oviana ihany ny fankalazana ny faha 30 taona nihirany, nivoaka ny feo fa hanao fampisehoana i Poopy ny volana novembre 2015! Kanjo nihemotra ny volana fevrier 2016 izany.

Tonga ary ny fotoana! Tapitra avokoa ny tapakila rehetra! 28 febroary 2016 t 4 ora hariva! Nisahotaka ny mpijery fa betsaka ireo tsy tafiditra nefa efa nahazo karatra! Feno hipoka ny palais des sports! Nihanoka ny kanto sy ny naha Poopy ani Poopy ny mpankafy 7000 mahery tonga nanotrona sy nihanoka ny 30 taona! Na dia teo aza ny ahiahy, ny alahelo, ny fitiavana tsotra izao dia tonga lay ora sy fotoana nandrasanny maro! Nivoaka t io fotoana io ny COFFRET SPÉCIAL 30è! Nahitana Cds audio an ireo hira nanamarika ny 30 taona ary nohavaozina daholo, sy Dvd clips inédits! Nitohy ny fankalazana tao Carlton! Nivoaka t zany ny rakitsary NANKAIZA? Mbola nitohy tao Antsahamanitra ihany koa ny 30 taona antsehatra! Nentina nitety faritra ny 30 taona an-tsehatra ary samy faly avokoa nahita ani Poopy ny mpankafy! Nanomboka teo dia toa tsy nifankafoy intsony ny mpijery sy ny mpanakanto! Zay toerana aleha dia feno avokoa!

2017: nivoaka ny hira sy rakitsary Nokarakaraini Live prod ny MIFAMPITANTANA 2017 ny volana martsa! ka i Poopy sy Bodo no niaraka sehatra t zany! Eny 1997, 2007 ary 2017 indray zany 10 taona zary lasa fihaonana mahazatra! Feno ny lapanny kolotsaina sy fanatanjahantena! Nozarainizy 2 vavy ny kanto indrindra avy aminy.

Ny volana avril dia nankalaza ny faha 40 taona nihirany I Richard tao tarika Njila! Ka nasainy I Poopy sy mpihira maro ho vahininy hanotrona azy izany! Nisy rakitsary vaovao: firaisan-kina sy ianao ihany! FAMPISEHOANA nitondra ny lohanteny hoe FIRAISAN-KINA! Nohirainireo vahininNjila ireo hira maro be nampalaza ny tarika Njila!

Niakatsehatra tao Batou beach i Poopy ny volana mai niaraka t mpanankanto vitsivitsy hafa!

2018: 6 taona taty aoriana dia tapakevitra ny hisidina any Frantsa ny tarika hanao fitetezam-paritra! Nivoaka t zany indray ny Best of spécial réédition 2018!

2019: Namoaka rakitsara vaovao HO ANI DADA i Poopy! Niverina an-tsehatra i Poopy ny faha 10 ny volana novembre ka niavaka kely ny fampisehoana satria nohezahina nohiraina indray ireo sanganasa tsy dia fanaonny tarika! Ka dia niara nahatsiaro anizany fotoana taloha izany ny rehetra! Mazava ho azy fa dia lany ny tapakila rehetra nandritry ny fampisehoana!Nivoaka ofisialy t andronny fampisehoana ny rakikira vaovao be, raha tsiahivina dia t taona 2010 no namoaka rakikira farany i Poopy raha best of no nivoaka t 2016! Nahiditra tao anatinizany album coffret izany ireo hira tsy mbola nivoaka rakikira hatrizay, Tsy misy, any an-kafa, ny herinao, hafahafa, ody fitia, fa nisy sanganasa tena vaovao be ho ani dada sy ho anao, hira NATOLONY manokana ho anireo mpankafy azy tsy niovaova fa teo foana ary tia foana! Nilaza t izany i Poopy fa hiara hifampitantana Njakatiana indray volana mars 2020 raha t 2010 no farany niray sehatra izy mianadahy!

2020: Tonga ny fotoana niarahanizy mianadahy! Fampisehoana MATIHANINA, Na teo feo, na ny fanamafisam-peo, indrindra ny fitafini Poopy no nahazo fanamarihana manokana fa tena kanto dia kanto ary nahafaly ny mpijery sy mpankafy rehetra! Nentinizy mianadahy niara nifampitantana taminy ny mpijery maro be tonga nanotrona! Fifaliana, tomany, hikiaka! Oviana dray ny manaraka hoy ny mpankafy!!!?



                                     

5. Raki-kira

2002: Tahakizay

  • Aoka Ihany
  • Fanantenana
  • Ny Marina Tsy Maty
  • Tahakizay
  • Tsy Menatra
  • Sambatra
  • Efa Haiko
  • Mifona
  • Ndao Ary
  • Kamo
  • STUDIO SONATE
  • Tonony: Poopy, Feony sy Nandrindra: Naivo

2003: Mifameno

  • Tsiaro
  • Mifamemo
  • Misaotra Ry Ray
  • Mila Anao
  • Miora
  • Tsy Ho Tia Daholo
  • Tantara
  • Velon-kira
  • Fety
  • Zandry
  • STUDIO SONATE
  • Tonony: Poopy, Feony sy Nandrindra: Naivo
                                     

5.1. Raki-kira 1990: Andao Handihy

  • Tsy Nety
  • Hafatra
  • Embona
  • Gina
  • Sadaikatra
  • Andao Handihy
  • Diavolana
  • Ho Iray Miaraka amin i Haingo "Zandrin i Lalatiana"
  • Mamy Ny Miaina
  • Tonony sy Feony: Solofo Ranarivelo, Nandrindra: Solofo Ranarivelo Poopy
  • STUDIO MARS
  • Feo Lafika: ny Tarika JOHARY
                                     

5.2. Raki-kira 1993: Fandresena

  • Ny Antsika
  • Fandresena
  • Tsy Natolony
  • Tolona
  • Variana
  • Afenina
  • Ampianaro
  • Vonjeo
  • Raha Nofy
  • Fitia Voarara Miaraka amini Mahery ao aminny Tarika Johary
  • Tonony: Poopy Feony:"Raha Nofy" & "Afenina" Feony: Naivo
  • Nandrindra: Solofo Ranarivelo
  • STUDIO MARS
                                     

5.3. Raki-kira 1994: Malagasy Rainbow

  • Ambanivolo
  • Misy Antenaina
  • Fitia Voarara aminny Endriny Vaovao Miaraka amini Donnat Rasamimanana
  • Shine On Me
  • Tsy Natolony aminny Endriny Vaovao
  • Ill Keping on Dreamin
  • Tolona aminny Endriny Vaovao
  • Aza Miady
  • Tandrifin-Drahona
  • Let Me In
  • Wedding Prayer
  • Variana aminny Endriny Vaovao
  • Soa Nomena Miaraka amini Donnat Rasamimanana
  • Taniko
  • Lead Vocal:PoopyRamahavalisoa Josée Helianta, Clavier: NaivoAndrianarijaona Razafimanalina Vocal: Nini Julie Rakotoarinaivo Basse: José Razafindrabe Percussion et Guitar:Hilarison et Lantonirina Vocal: Donnat Rasamimanana Batterie: Anthony Razafiarison Arrengement: Mamiarisoa Rajaonarimanana et Solofo Ranarivelo
  • STUDIO MARS
                                     

5.4. Raki-kira 1998: Ny Tiako Rehetra

  • Diso Lalana
  • Ny Tiako Rehetra
  • Mba Iriako Miaraka Amini Nary ao aminny Tarika Zay aminny Guitar
  • Ny Hira
  • Namako
  • Resa-Be
  • Adiady
  • Vavaka
  • Mpiahy
  • Tsara Andriamanitra
  • Tia
  • Lasa Nitady
  • Simba Miaraka amini Nini
  • Tononny: Poopy, Feony sy CLavier: Naivo, Feo Lafika: Nini Tonony Simba ", Percussion sy Batterie: Donnat Tonony Simba ", Guitar: Haja et Gerard, Mpandrindra: Naivo nini
  • STUDIO MARS
                                     

5.5. Raki-kira 2001: Tena Namana

  • The Winner version anglaise de "Izay Manao Ny Marina" tonony nosoratani Tiana
  • Miverena
  • Kanto
  • Tsy Mora
  • Taloha
  • Misaotra
  • Porofom-pitiavana
  • Vola
  • Tena Namana Miaraka Amini Eric Tahiana
  • Lasa Nitady aminny Endriny Vaovao
  • Lasa
  • Tsy Mety Ho Afa-po
  • Tahio
  • Tonony: Poopy, Feony sy Nandrindra: Naivo
  • STUDIO MARS
                                     

5.6. Raki-kira 2002: Tahakizay

  • Aoka Ihany
  • Fanantenana
  • Ny Marina Tsy Maty
  • Tahakizay
  • Tsy Menatra
  • Sambatra
  • Efa Haiko
  • Mifona
  • Ndao Ary
  • Kamo
  • STUDIO SONATE
  • Tonony: Poopy, Feony sy Nandrindra: Naivo
                                     

5.7. Raki-kira 2003: Mifameno

  • Tsiaro
  • Mifamemo
  • Misaotra Ry Ray
  • Mila Anao
  • Miora
  • Tsy Ho Tia Daholo
  • Tantara
  • Velon-kira
  • Fety
  • Zandry
  • STUDIO SONATE
  • Tonony: Poopy, Feony sy Nandrindra: Naivo
                                     

5.8. Raki-kira 2004: Ho any Aminao

  • Ahoana Tokoa
  • Ndao Ary aminny Endriny Vaovao
  • Ho Any Aminao
  • Ho Ani Neny
  • Ny Antsika
  • Nofy Sisa
  • Miara-Mihira Miaraka Amini Dadah sy Fafah ao aminny Mahaleo tarika
  • Tiako 100%
  • Matory Am_pilaminana Super Moustiquaire
  • Maimaim-poana
  • Mbola Tavela
  • STUDIO SONATE
  • Tonony: Poopy, Feony sy Nandrindra: Naivo
                                     

5.9. Raki-kira 2006: Satria Tiako

  • Tsy Hiady
  • Satria Tiako
  • Lazao Ahy Fa.
  • Sakafonni Zaza Marary
  • Miova Loko
  • Tia aminny Endriny Vaovao
  • Ny Hira aminny Endriny Vaovao
  • Hiram-pitiavako
  • Mandram-pihaona
  • Izy Roa Ihany
  • Fitaratra
  • Taniko aminny Endriny Vaovao
  • Mahafatifaty Loatra
  • Tonony: Poopy, Feony sy Nandrindra: Naivo
  • STUDIO SONATE
                                     

5.10. Raki-kira 2007: Tia foana album duo avec Bodo

  • Hankany Aminao Bodo
  • Lazao Ahy Fa. Poopy
  • Afenina/Tsy Maninona Aho
  • Medley Slow Fony Aho/Afenina/Hody/Tsy Natolony/Sombinaiko/Tolory Tanana
  • Tia Foana
  • Medley Dance Tsy Izany/Izay Manao Ny Marina/Taloha/Misy Farany
  • Raha Toa
  • STUDIO SONATE & DOSOL
                                     

5.11. Raki-kira 2010: Mamela ny Helokay

  • Mihainoa Bonus Noel
  • Mamy Ny Miaina aminny Endriny Vaovao
  • Miova Loko
  • Afa-po
  • Zava_Poana
  • Mamela Ny Helokay
  • Andao Handihy aminny Endriny Vaovao
  • Am-pitiavana
  • Lavitra Azy
  • Mitodiha
  • Lazao Ahy
  • Tonony sy Feony 2.4 sy 5: Solofo Ranarivelo
  • STUDIO SONATE
  • Tonony: Poopy, Feony sy Nandrindra: Naivo
                                     

5.12. Raki-kira 2019: Ho ani Dada

  • CD
  • Ody Fitia*
  • Ho ani dada
  • Any An-kafa*
  • Ny Herinao
  • Ho Anao
  • Lazao Ahy Fa.
  • Fitaratra
  • Nankaiza
  • Mahafatifaty Loatra
  • Hafahafa
  • Tsy Ny Fahanginako
  • Mihazakazaka
  • Tsy misy
  • Satria Tiako
  • Lasa Nitady Live
  • Vola live
  • Mahafatifaty Loatra Live
  • Ho Ani Dada
  • DVD
  • Mifameno live
  • Nankaiza
  • Hirampitiavako
  • Studio SONATE PLUS
  • Auteur Poopy
  • Compositeur Naivo - Poopy*
                                     

5.13. Raki-kira 2003: Album Spécial 20 éme anniversaire par le studio mars 14 titres

  • Hira Notsongaina tao aminny Rakikira "Andao Handihy", "Fandresena" ary "Ny Tiako Rehetra"
  • Fitia Voarara
  • Lasa Nitady
  • Tsy Natolony
  • Hafatra
  • Ho Iray
  • Ny Tiako Rehetra
  • Raha Nofy
  • Simba
  • Diso Lalana
  • Gina
  • Namako
  • Afenina
  • Fandresena
  • Ampianaro
                                     

5.14. Raki-kira 2005: 3 Best Of 14 titres chacun

  • CD 1: Special Slow
  • Miverena
  • Tia aminny Endriny Vaovao
  • Toa Anao
  • Ho Iray
  • Kanto
  • Ahoana Tokoa
  • Ny Marina Tsy Maty
  • Tsy Natolony
  • Sedra
  • Izy Roa Ihany
  • Tahakizay
  • Mifameno
  • Tsy Ahita
  • Tsiaro
  • CD 2: Spéciale Rhytmé
  • Ny Antsika
  • Fandresena
  • Tiako 100%
  • Resa-be
  • Izay Manao ny Maria
  • Gina
  • Vola aminny Endriny Vaovao
  • Ambanivolo
  • Variana aminny Endriny Vaovao
  • Lalao
  • Aoka Ihany
  • Ho Any Aminao
  • Ny Hira aminny Endriny Vaovao
  • Taniko aminny Endriny Vaovao
  • CD 3: Spéciale Evangelique
  • Misy Antenaina
  • Soa Nomena
  • Misaotra Ry Ray
  • Sambatra
  • Ampianaro
  • Tsara Andriamanitra
  • Vavaka
  • Tandrifin-drahona
  • Mihainoa
  • Mifona
  • Mpahy
  • Maimaimpoana
  • Fanantenana
  • Tahio


                                     

5.15. Raki-kira 2008: Coffret special 25ème en VCD et CD audio 7 clips + 5 titres

  • CD
  • Ngoma
  • Niova Dika
  • Dieny Izao
  • Tsy Mahasaraka
  • Mifanome Tanana
  • Manome tanana,
  • Satria tiako,
  • Ngoma
  • DVD
  • Ho anI Neny,
  • Ho any aminao,
  • Niova dika,
                                     

5.16. Raki-kira 2009: Coffret 25ème en DVD et CD audio

  • CD
  • Tsy Mahasaraka
  • Mifanome Tanana
  • Nofy Sisa
  • Fitaratra
  • Kanto
  • Fety
  • Niova Dika
  • Tiako 100%
  • Ngoma
  • Izy Roa Ihany
  • Dieny Izao
  • Satria Tiako
  • DVD
  • Tiako 100%
  • Ho Ani Neny
  • Satria Tiako
  • Izy Roa Ihany
  • Mifanome Tanana
  • Niova Dika
  • Ngoma
  • STUDIO SONATE
  • Tonony: Poopy, Feony sy Nandrindra: Naivo
                                     

5.17. Raki-kira 2016: Best Of POOPY 30 ans de scène

  • CD 1: Special Slow
  • Satria Tiako
  • Nankaiza hira vaovao BONUS
  • Toa Anao amin ny endriny vaovao
  • Mihanta amin ny endriny vaovao
  • Sedra amin ny endriny vaovao
  • Raha Nofy amin ny endriny vaovao
  • Tia amin ny endriny vaovao
  • Afa-po
  • Ny Tiako Rehetra amin ny endriny vaovao
  • Mifameno
  • Tahakizay
  • Ny Marina Tsy Maty amin ny endriny vaovao
  • Tsy Natolony amin ny endriny vaovao
  • CD 2: Spéciale Rhytmé
  • Namako amin ny endriny vaovao
  • Variana
  • Tsy Ny Fahanginako hira vaovao BONUS
  • Gasy amin ny endriny vaovao
  • Aoka Ihany amin ny endriny vaovao
  • Ambanivolo amin ny endriny vaovao
  • Ny Hira/Ho Any Aminao amin ny endriny vaovao
  • Resa-be amin ny endriny vaovao
  • Taniko amin ny endriny vaovao
  • Tsy Menatra amin ny endriny vaovao
  • Ndao Handihy amin ny endriny vaovao
  • Vola/Lalao amin ny endriny vaovao
  • DVD
  • Ngoma
  • Tsy Mahasaraka
  • Ho Ani Neny
  • Mifanome Tanana
  • Izy Roa Ihany
  • Niova Dika
  • Satria Tiako
  • Tiako 100%
  • Tsiaro


                                     

6. VIDEOCLIP

  • 1990
  • Ho iray,
  • Ginagina,
  • 1992
  • fety
  • Fitia Voarara feat Mahery
  • 1993
  • vonjeo,
  • tolona
  • ny antsika
  • ampianaro
  • 1994
  • Wedding prayer
  • 1995
  • Tolona version Nosy Be
  • Taniko
  • ambanivolo,
  • aza miady,
  • Wedding prayer version Nosy Be
  • 1996
  • vavaka
  • soa nomena,
  • 1998
  • resa-be,
  • ny hira,
  • Tsara Andriamanitra
  • 1999
  • mihanta,
  • sedra,
  • Lalao,
  • 2000
  • fitiavana
  • tena namana,
  • porofom-pitiavana
  • zay manao ny marina,
  • 2001
  • vola
  • taloha,
  • kanto,
  • 2002
  • aoka ihany,
  • tahak izay,
  • fanantenana,
  • 2003
  • mifameno,
  • 2004
  • miara-mihira,
  • super moustiquaire,
  • ho an i neny,
  • ahoana tokoa,
  • 2005
  • izy roa ihany,
  • fotoana mamy,
  • 2006
  • ilazao feat Njila
  • ho any aminao
  • satria tiako,
  • 2007
  • manome tànana,
  • medley feat bodo,
  • tia foana feat bodo,
  • 2008
  • niova dika,
  • ngôma,
  • 2009
  • dieny izao,
  • tiako 100%,
  • 2010
  • mamelà ny helokay,
  • raha nofy feat Njakatiana
  • mbola kely loatra feat Njakatiana
  • 2011
  • tsy mahasaraka,
  • tsiaro,
  • 2012
  • anao zahay
  • 2016,
  • nankaiza?
                                     

6.1. VIDEOCLIP 2005: Summer Memories

  • Vola
  • Izy Roa Ihany
  • Aoka ihany
  • Tahakizay
  • Fanantenana
  • Wedding Prayer
  • Tsara Andriamanitra
  • Talona
  • Ho ani neny
  • Ahoana Tokoa
  • Zay Manao Ny Marina
  • Mifameno
  • Sedra
  • collection vidéoclip par SM Pro
                                     
  • AmbondronA, Antsahamanitra, CHE BEL CANTO I: Tovo J Hay nirahana tamin i Bodo, Poopy Malala, Nanie, Lalie, Rah toa ianao ka tia Mozika Media consulting Concert

Users also searched:

...