Back

ⓘ Platô




                                               

Fiteny grika taloha

Ny fiteny grika taloha dia fiteny notenenina tany Grisia tamin ny Andro Taloha nanomboka tamin ny 800 tal. J.K. hatramin ny taona 400 tal. J.K. Any Eorôpa, ny fiteny grika miaraka amin ny fiteny latina no fiteny taloha mbola ampiasaina indrindra ho an ny mpiteny eorôpeana ankehitriny. Ireo fiteny mampiasa teny grika taloha dia ny fiteny latina sy ireo fiteny avy amin ny fiteny latina. Betsaka ireo firokin ny fiteny grika taloha, izany hoe ny endika isam-paritra isehoan io fiteny io, fa heverin ny mpahay siansa rehetra fa ny fiteny atikianina no madio indrindra amin ireo firoky ireo. Nipari ...

Platô
                                     

ⓘ Platô

I Platô na Platôna dia filôzôfa tao Grisia tamin ny Andro Taloha, izay niaina tamin ny vanimpotoan ny demôkrasia ateniana sy tamin ireo Sôfista izay notsikerainy. Notohizany ny asa ara-pilozofian ny mpialoha lalana azy sasany, indrindra i Sôkraty izay nampianatra azy, i Parmenida, i Heraklita, ary i Pitagôra, mba hamolavolany ny fiheverany manokana. Izany fiheverany iany dia mitrandraka sehatra lehibe, dia ny metafizika, ny etika, ny estetika ary ny pôlitika

Tamin ny taona 428 na 427 tal. J.K no nahaterahany ary tamin ny taona 348 na 347 tal. J.K. no nahafatesany tao Atenay. Atao aminny teny grika hoe Πλάτων / Plátôn izy.

Ny asany izay nahitana saika resadreesaka avokoa, dia namoaka ireo famehezan-teny momba ny petrak olana mahazatra teo amin ny tantaranny filôzôfia tandrefana. Ny resadresaka tirairay tataon i Platô dia nahafahany nanontany ny amin ny lohahevirta voafaritra iray, ohatra amin izany ny aminny kanto sy ny herim-po. Novelabelariny ny fomba fiasa iay nantsoiny hoe dialektika na maieotika. Natokany taminny filôzôfia voalohany ny ankabeazanny fandinihana nataony, nefa niompany koa fisehon-javatra ivelambelany ary nitondra ny anjara birikiny taminny fandinihana ny Tantaran natoraly koa izy, izay niezahany nametraka ireto ainga fototra roa ireto: ny voalohany iharana, toy ny raha matiera, ny faharoa mpanao toy ny anton-javatra, izay ampifandraisiny aminny herinny andriamanitra sy ny anny Tsara.

Namelabelatra fisaintsainana momba ny Hevitra izay atsoina hoe teorianny Endrika na teorianny Hevitra izay ilazany fa ny zava-misy tsapa dia vondron-javatra mitovy endrika aminny môdelinizy ireo tsy mety miova. Ny Endrika fara tampony, arakaraka ny zava-misy manodidina, dia mbetika ny Tsara, mbetika ny Kanto. Ny filôzôfia pôlitikani Platô dia mihevitra fa ny Tanàna anjakanny rariny dia tokony haorina araka ny môdelinny Kanto hoazy. Novelariny vokatrizany ny aminny Filôzôfa mpanjaka.

Ny fiheverani Platô dia tsy tokana bontolo. Ny sasany aminireo resadresaka nataony dia mifarana aminny apôria ara-pilôzôfia: nitondra vahaolana aminny olana napetraka izy ireo, nefa tsy valinteny tokana sady farany izany. Niteraka adihevitra lava teo aminireo mpanao fivoasana ny hahafantarana na manao filôzôfia dôgmatika mitompo teny fantatra i Platô na filôzôfia skeptika misalasala.

Aminny ankapobeny i Platô dia heverina ho iray aminireo filôzôfa tandrefana voalohany, na raha tsy izany, ho ny mpamorona ny filôzôfia, ka nahatonga ani Alfred North Whitehead hilaza hoe: "ny filôzôfia tandrefana dia tsy inona fa fifanjohia-naoty ambany pejy momba ireo resadresaki Platô". I Teofrasta, raha niresaka momba ny filôzôfa, dia nilaza ani Platô ho ny voalohany aminny lazany sy ny fahaizany, sady farany ao aminny filaharana ara-potoana.

                                     
  • 9 47 25 N 74 46 57 W 9.790290 N 74.782440 W 9.790290 - 74.782440 Plato dia tanàna ao amin ny departamentan i Magdalena ao Kolombia. Ny isam - ponina
  • Ihorombe no misy ny tangoron - tendrombohitr i Isalo. Midadasika ao koa ny platô Ihorombe ao andrefana. Ny tapany atsimon ny tangoron - tanedrombohitra Andringitra
  • ankehitriny ary tamin io firoky io no nanoratan ireo mpanoratra toa an - dry Platô sy Aristophanes. Misy zavatra tsy ampy anatin ity fizaràna ity. Ilaina mandray
  • grika hoe θεολογία theologia dia nampiasain ilay filôzôfa grika atao hoe Platô amin ny dikany ara - bakiteny hoe resaka momba ny andriamanitra na resaka
  • taozavatra na mpanamboatra Tamin ny taonjato faha - 4 dia nihevitra i Platô tao amin ny boky nosoratany atao hoe Τίμαιος Timaios fa ny antony voalohan izao

Users also searched:

...
...
...