Back

ⓘ Jonny r'afa




                                     

ⓘ Jonny rafa

Jonny rafa na Andriamanankoavy Jonny dia nianatra momba ny sokitra tao aminny École Nationale Supérieure des Beaux-Arts ao Paris.

Fa hoy i Jonny rafa raha manazava momba ny asany izy:

"Voalohany aloha dia ny Art no enti-mikolokolo sy mampiroborobo ny Tadidy Iombonanny malagasy. Adidy izany enti-manaja ny niaviana. Dia mitady izay tokony hotahirizina aminizany, ary mampita, mandika azy. Eto no ampitoviako ny asako aminny anireo etnaolaogy. Ny andraikiny dia ny "mampiseho ny miafiana" anivonny kolontsaina sy ny fomba amam-panao andavanandronny mponina iray. Ary satria efa malalaka ny fivelarana ara-toekarena sy ara-kolontsaina, dia mifarimbina aminny fampahafantarana ani Madagasikara hatrany andafinny ranomasina Indiana,ka izany aminny alalanny asa sary. Iza moa no afaka milaza ny mombamomba io nosy io mihoatra ny terataniny, indrindra raha mpanakanto?

Rehefa izany, misokatra aminizao tontolo izao aminny izay fomba hafa ananako ankoatry ny sarisokitra: ny hira sy ny soratra. Izany enti-maneho, tsy ny hanitry ny taloha ihany, fa ny ankehitriny koa. Mety aza hanaovana sary drafitra hoanny hoavy? Ary, araky ny fombafomba vaovaonny fifandraisana eran-tany, dia atao izany aminny teny iray azonny ampahany lehibe aminizao tontolo izao vakiana: teny frantsay.

Izany no anoratako, am-panarahana ny dianny poety malagasy iray nanoratra aminny teny malagasy/frantsay ary antsoina hoe J. J. Rabearivelo. Izy io anefa tsy afaka nihoatra tany Eraopa taminny fahavelony. Satria aho afaka nanao izany, dia ataoko raharaha ny manohy ny asa lavitrezaka sy mavesatra natombony: ny ho ambasadaoronny habakaba-pisainanny malagasy.

Tahakizany no andaharako sy itondràko ny asako. Ny Art no ahafahako, na dia toy ny mandravona ihany aza, manolotra ampahany aminizany sivilizasiona avy lavitra izany ani Frantsa, no sady manome voninahitra ny malagasy aminny fampahafantarana azy misimisy kokoa any ivelany."

Ireo sanganasany dia azo jerena ato na koa ato:

Ankoatra ny asa-sokitra dia manana talenta eo aminny tononkalo sy mozika ihany koa izy.

Mpanoratra, mpamoron-kira sy mpihira i Jonny Rafa. Isan-karazany ny zava-maneno kitihiny toy ny gitara, kabosa, ary valiha.

Isanny nalaza taminny hirany - izay noforoniny raha mbola 15 taona monja izy - i Rabodoniarivo. Eo ihany koa Retsiana, Ravorombazaha, Bilo.

Ny mombamomba azy dia azo jerena ato:

Users also searched:

...
...
...