Back

ⓘ Fredy Jaofera




                                     

ⓘ Fredy Jaofera

Fredy Jaofera izay Rakotomalala Eric Fredy Jaofera no anarany feno dia zafikelin i Fredy Rajaofera ary samy poeta izy mianaka. Zanaka lahimatoan Itompokolahy Rakotomalala Eugène Louis sy Itompokovavy Rajaofera Elise izy. Mpirahalahy fotsiny ry zareo no zanaky ny ray aman-dreniny. Sarotra inoana toy ny gisa mainty no naha-mpanoratra an i Fredy Jaofera fa nisy tokoa ny sakantsakana teo amin ny fiainany: Mino ve ianao raha lazaiko hoe mafy tamin i Fredy Jaofera no nandray ny penina sy nanoratra litera iray na roa tany am-boalohany tany an-dakilasy? Mino ve ianao raha lazaiko hoe tsy nahay niteny malagasy i Fredy Jaofera tamin ny fahazazany? Anaram-bositra nomen ny olona azy sy ny zandriny tany amin ny raibeny sy renibeny teny Ambohipanja taloha ny hoe: "Gasy tsy mahay miteny gasy". Araka izany dia tantara mahavariana tokoa raha olona nanana fahasahiranana tamin ny fianarana nanoratra an ireo literan ny abidia no tonga mpanoratra malaza aty aoriana; mahalasa saina ihany raha olona mpiteny frantsay no nanjary poeta malagasy ngezalahy. Tsy ampy ny hoe taranaka mpanoratra nisongadinana teo amin ny haisoratra fa nilana fitiavana sy ezaka ombieny izany: Fitiavana tononkalo sy ezaka mifandraika aminy. Ny fotoana taty afara no nanamafy an ireo. Ireto no boky efa nivoaka:

  • Alfa sy Omega
  • Ny Tanindrazako
  • Teny roa
  • Day and night
  • Parisy
  • Malagasy isika
  • Raozy
  • Firenena hombam-pitiavana
  • Bemiray
  • Eritreritra
  • Zotra
  • Indrisy, ry taniko!
  • Ny ranomasoko
  • Betsimihilana 1
  • Ianao
  • Nosy mamiko
  • Journal Testament
  • Automne
  • Betsimihilana 2
  • Daty tsy azo hadinoina
  • Madagasikara
  • Onjam-pitia
  • Fota-mandry
  • Tsetsatsetsa
  • Diavolana
  • Fiainana
  • Iarivo

Tao amin ny Faribolana Sandratra izy taloha ary ankehitriny izy dia ao amin ny Fikambanan ny Poety sy Mpanoratra Malagasy. Mpanorina sy Filoha lefitra voalohany ny Fikambanan ny Poeta sy Mpanoratra Malagasy sampana Frantsa izy, Mpikabary sy mpanorina ny Fikambanan ny Mpikabary Malagasy sampana Frantsa ary mpanorina sy filoha lefitra ihany koa ny Trano Kolotoraly Malagasy eto Frantsa. Manana ny mari-boninahitra Chevalier de l Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture par la République de Madagascar izy. An-koatra izany dia Mpitoriteny Nasionaly amin ny Fiangonana Protestanta aty Andafy izy FPMA. Tompon orinasa sy mpampianatra ny taranja Anglisy no asany.

                                     
  • Raja Rafanoharana Ny Avana Ramanantoanina Fredy Jaofera DadaRabe RABE Andriamanarivo Paoly F - X. Mahah Fredy Rajaofera Jean Andrianaivoravelona Rolland

Users also searched:

...
...
...