Back

ⓘ Metaly




                                               

Varahina

Ny varahina dia karazana metaly sady singa simika manana laharana atômika 29 sy eva Cu. Misy varahina voajanahary, izay ilain ny fahaveloman ny zavamanana aina, ny sosona ambony amin ny tany, Ampiasain ny olombelona amin ny endrika metaly ny varahina. Afaka mampita aratra sy hafanana tsara ny varahina ka maro samihafa ny fampiasana azy. Ampiasaina amin ny asa fanorenana koa ny varahina sady afangaro amin ny metaly hafa. Mora mitsonika ny varahina izay metaly trainainy indrindra amin ny fampiasan ny olona azy.

                                               

Volafotsy

Ny volafotsy dia singa simika mitondra ny laharana atômika 47 sy aseho amin ny eva Ag. Metaly tetezamita malefaka, fotsy, mamirapiratra, manana toetra mampita aratra ambony indrindra, ny fitarihana hafanana ary ny fitaratry ny metaly rehetra.

                                               

Lefona

Ny lefona dia fitaovam-piadiana fanipy misy lelany fisaka maranitra sy matsilo vita amin ny metaly sy misy tahony vita amin ny hazo.

                                               

Asterôida

Ny asterôida dia planeta bitika izay fifangaroana vato sy metaly ary rano mandry ka ny habeny dia miova eo anelanelanny iray metatra ny anjatony kilometatra.

                                               

Fanitso

Ny fanitso dia singa ara-tsimia, metaly, mitondra ny laharana atômika 30 amin ny firaketan i Mendeleiev sy eva Zn.

                                               

Basy

Ny basy dia fitaovam-piadiana ampiasaina hitifirana amin ny bala atosiky ny vanja. Ny tenan ny basy dia matetika vita amin ny hazo, fa metaly kosa ny fantsona fivoahan ny bala.

                                               

Andronny Varahina

Ny Andronny Varahina dia vanimpotoana ao aminny Neolitika izay nahafahezanny olombelona ny fanefena varahina, talohanny fanefena alimo. Nandritra ny ampahany be aminny Neolitika dia niara-nisy aminny taozavatra aminny vato sy ny taolana ny fanefena varahina izay metaly malemy loatra aminny fanamboarana fitaovam-piasana sy fitaovam-piadiana. Taminny Andronny Varahina dia nisy metaly hafa toy ny volamena sy ny volafotsy izay notefena koa hanamboarana fihaingoana, nefa ny famokarana fiotaovam-piasana sy fitaovam-piadiana dia natao indrindra taminny vato sy ny taolana.

                                               

Viraty

Ny viraty na alominiôma dia zavatra simika manana eva Al sy manana isa atômika 13. Ny viraty dia zava-dehibe eto an-Tany satria viraty ny 1.5 %n ny lanja tontaliny. Ny viraty dia metaly mangirangirana ary malemy. Fantatra amin izy sarotra harafesina ary amin ny hamaivany. Izy io anefa dia mora harefesina fa amin ny rivotra iainana. Ny faritra mikasika ny rivotra iainana dia mivadika tsikelikely ho ôksida viraty Al 2 O3 miaro ny sisan ny metaly ary miverina haingana raha ohatra ka kikisana, izy mivadika harafesina io dia tenenina hoe "protection cinétique" fa tsy "protection thermodynamique ...

                                               

Antsy

Ny antsy dia fitaovana marani-dela vita amin ny metaly, ahafaha-manapaka na mandidy, misy tahony vita amin ny hazo na amin ny plastika na amin ny metaly.

                                               

Firamainty

Ny firamainty dia singa ara-tsimia mitondra ny laharana atômika 82 araka ny firaketan i Mendeleiev, sy ny eva Pb. Metaly mora volavolaina ny firamainty, izay miloko volombatolalaka manopy manga, izay mihafotsy moramora rehefa mitombo ny ôksizenina ao aminy. Izy no mavesatra indrindra amin ireo singa marin-toerana. Mitsonika ny firamainty rehefa mahatratra 328° C ny hafanany, ary mangotraka rehefa mahatratra 1 740°C. Manana hakitroka 11.34 izy.

                                               

Fitrandrahana harena an-kibonny tany eto Madagasikara

Ny fitrandrahana harena an - kibonny tany eto Madagasikara dia kely sady miangona manodidina toerana lavitra ahitana tahirinakora voajanahary betsaka. Ahitana otrikakora mineraly misimisy ihany ny eo aminny mineraly indostrialy sy momba ny metaly, ny angovo, ny vato saro-bidy sy antonony, ary ny vato fanaingoana. Ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibonny tany dia tsy noraharahainny fitondrana malagasy nandritra ny am-polo taonany maro talohanireo taona 2000. Taminny taona 2013 ny asa fitrandrahana, izay loharanon-karena anaovana fampiasam-bola vahiny, dia nisedra fahasahiranana noho ny ...

Metaly
                                     

ⓘ Metaly

Ny metaly dia zavatra simika mety mampita aratra na hafanana ary mivadi-toetra mba ho lasa katiôna na manao rohy iônika amin ny zavatra tsy metaly. Amin ny simia, ny metaly (avy amin ny teny grika μέταλλον / metallon dia zavatra afaka mitondra aratra moramora kokoa noho ny rivotra na zavatra hafa toy ny plastika na fitaratra. Ao anatin ny metaly, ny atôma dia mety mivadika katiôna amin ny alàlan ny haverezana elektirôna iray ary avy amin ny fangalarana elektirôna iray hafa any amin ny atôma manodidona azy mba hanolo ilay elektirôna very.

Ohatra metaly matetika ampiasaina:

  • Vy
  • Viraty
  • Firaka
  • Firapotsy
  • Fanitso
  • Volavelona
  • Alimo
  • Volafotsy
  • Volamena
  • Tsỳ
  • Andriamby
  • Varahina
  • Firamainty
                                     
  • amin ny habakabaka : asterôida, karazana vato kely vita ranomandry na metaly manana savaivo mirefy eo amin ny 10 metatra hatramin ny 200 kilometatra

Users also searched:

...