Back

ⓘ Sakafo malagasy




                                               

Sakafo malagasy

Hoy ny ohabolana malagasy hoe "Ny kibo tsy mba lamosina, ary ny tsinay tsy mba vatsy". Ka ireto misy karazana sakafo vitsivitsy, sakafo malagasy atolotra anareo.

                                               

Bononoka

Ny bononoka dia sakafo azo avy aminny fandomana Mangahazo, ka ahazoana mangahazo mahasalama kokoa sy matsiro kokoa. Misy fofona somary mahery izy ka lasa tsy itiavanny olona sasany azy. Ny mangahazo vita bononoka dia azo amainina sy totoina ka anaovana karazana mofo mangahazo antsoina hoe ketapotsy.

                                               

Saosy

Avy aminny teny frantsay nohagasiana hoe "sauce" ilay teny gasy hoe saosy. Ampiasaina aminny heviny roa farafahakeliny izy io: Adika ho mitovy hevitra aminny vola ihany koa indraindray ny teny hoe saosy. Raha ny marina ny ihavianilay hevitra dia tsotra: izay manao saosy dia olona manam-bola, noho izany saosy mira vola. Marihina fa ny tanora no tena mampiasa io fomba fiteny io. Ny saosy izay mitondra ny heviny aminny teny frantsay, izany hoe taharontsakafo natao mba hampatsiro kokoa ny sakafo iray. Ny saosy voatabia no tena fampiasa matetika aminny nahandro malagasy. Misy koa anefa ny saosy ...

                                               

Sikidy malagasy

Ny sikidy na sikily dia fanao fahita manerana ani Madagasikara izay azo avy taminny sikidy arabo, izay niely erani Afrika noho ny fiparitahanireo Arabo sy Silamo taty aminny kontinenta. Isanny singa iray mandrafitra ny finoan-drazana malagasy ny sikidy. Ny mpisikidy, izay tsy iza fa ny ombiasa na ombiasy, no hatoninny olona mitady hahafanta-javatra miafina na saro-pantarina. Tsy ny Ntaolo ihany no mila mpisikidy fa na ny Malagasy maro ankehitriny koa, na any ambanivohitra na an-tanandehibe. Manatona mpisikidy ny olona rehefa hanamboatra trano, rehefa handeha lavitra, rehefa misy ny halatra ...

                                               

Mangahazo

Ny mangahazo na kazaha na kajaha na balahazo na mahôgo dia zavamaniry amin’ ny faritra mafana, avy any Amerika. Toy ny hazo kely maniry ny mangahazo ka mety mahatratra 240 sm ny haavony miala amin’ ny tany. Miloko mavo manopy maitso ny voniny. Ny halavan’ ny fakany, izay fihinana.

                                               

Haja (sikidy)

Ny Haza na Haja, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy fahiraika ambinny folo, isanireo tsanganan-tsikidy valo atao hoe tera-tsikidy, izay apetraka any aminny fàfana faharoa eo ambaninireo atao hoe renin-tsikidy, vokatry ny fampifanampiana ny soratry ny Fianahana sy ny Abily. Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Haja na Haza, misy "lohany" sy "tratrany" sy "valahany na "vaniany" ary "tongony". Ny Haja dia mety hiseho ao aminny iray aminireo sora-tsikidy enina ambinny folo toy ny Tareky 1 1, ny Jama na Asombola 2 2, ny Asorasady 2 1 1, ny Al ...

                                               

Fiendrika anoina

Ao aminny haiteny ara-piofohana, izay lazanny mpikaroka ao aminy fa mitondra fanitsiana aminny asa nataonny haiteny araka anjara asa malagasy, dia iray aminireo fiendrika telo ny fiendrika anoina, ka ny roa hafa dia ny fiendrika manano sy ny fiendrika ananovana. Voatsinjara aminireo atao hoe fitodika zoina anefa ny hevitra ampitainny fiendrika anoina ka ireto avy izany: Fitodika zoina toerana: Ijanonanny fiara ny eo amoron-dalana. Fitodika zoina fitaovana: Akapoka ny omby ny kibay. Fitodika zoina tolorana: Ivarotako ny fiarako ilay mpanan-karena. Fitodika zoina alalana: Anenjehana lambo ny ...

                                               

Nify

Ny nify dia taova misy taolana, mafy, miloko fotsy, misy couronne sy misy fakany. Ny nify dia ilaina mba ahafahana manapaka, mandrovitra, manapotika na manamontsamontsana ny sakafo izay tafiditra ao am-bava ka hanamora ny fitelemana sy ny fandevonana azy.

                                               

Mosavy (finoana malagasy)

Ny mosavy dia fisomparana olona amin ny alalanny ody ratsy na vorika. Matetika dia avy amin ny filalaovana ody ny mahatonga ny olona iray ho lasa mpamosavy. Tranga fandre matetika ny maka ody fitia any amin ny mpimasy kanjo afotitr iny ody iny ilay olona ary lasa manjary mpamosavy avy eo. Misy koa ny mosavy no inian ny olombelona atao, fa tsy entin ny ody; noho ny fialonana na ady na lolom-po na antony maro samihafa no mahatonga azy amin izay.

                                               

Sokajin-teny

Atao hoe sokajin-teny ny vondrona misy ireo teny afaka mifanolo hisahana anjara asa mitovy am-pehezanteny ao amin’ny fiteny iray. Mizara ho vondrona roa lehibe ny teny, dia ny reniteny sy ny zanateny. Ny sokajin-teny fahita matetika dia ny anarana, ny matoanteny, ny mpamaritra, ny tambinteny, ny tenim-piontanana, ny mpisolo anarana ary ny mpampitohy. Afaka manana anjara asa hafa tsy araka ny mety mahazatra koa anefa ny teny ao amin’ny sokajy iray, ohatra ny matoanteny dia azo atao lazaina koa ao aminny fiteny malagasy.

                                               

Fitodika zoina

Ny fitodika zoina dia fitodiky ny fehezanteny ahitana teny na tarika misahana ny anjara asa lazaina raha tokony ho fameno zoina, sady matetika ahitana matoanteny na aminny fiendrika mifanentana aminio fitodika io, arakaraka ny fiteny. Aminny ankapobeny, ao aminny fiteny iray, dia tsy tokana ny fitodika zoina fa maro. Mifamaly aminny fitodika zoina ny fitodika toe-javatra, ny fitodika mpanao, ny fitodika mpampanao, ny fitodika mpifanao, sns.

                                               

Endinakoho na tononakoho

Ny endinakoho na tononakoho dia sakafo gasy aminakoho. Ireo akora ilaina: Vainganakoho no lazaina eto: "feny - elany - nofo-tratrany Marihina fa mitovy ihany ny fikarakarana ny akoho na endasina na atono fa ny tena zava-dehibe dia ny ho masaka tsara sy misy hanitra tsara ny akoho. Mila sausy izy io ka ireto ny zavatra ilaina aminizany: Tongolo be oignons voany roa lehibe Vinaigitra roa sotro Siramamy roa sotro kely na tantely iray sotro fihinanana Menaka roa sotro lehibe Tongolo gasy hasiny 10 Sira izay antonona ny tsirairay Dità thym fehezany kely iray vovoka muscade misy mivarotra ao ami ...

                                               

Mofo atody

Mofo atody: mofo Zavatra ilaina: atody 4, siramamy 8 sotro c.à.soupe, tsongo-tsira 2, farine 1/2kg, lévure 1 sachet pour 1/2kg farine, ronono kely. Kapohina miaraka ny atody, siramamy, sira. Rehefa avy eo de arotsakindry ao ny farine efa nafangaro mialoha taminny levure. arotsakindry zay ny ronono kelikely fotsiny fa manjary matsora lotra ny pate. Endasindry aminy zay, mila menaka betsabetsaka le izy, atao mafana be. Bataina aloha rehefa handrotsaka azy de rehefa tafiditra daholo dia averina fatana. Tandremo sao may a. Dia mazotoa e.

                                               

Ravitoto sy henakisoa

Ny ravitoto dia ravina mangahazo nolaingosana ary nototoina. Marihina fa ny laingony no tena tsara sady tsy mangidy. Aminny fotoana fihavianny orana ka mampitsiry ny mangahazo no tena maha-betsaka azy. Matetika dia andrahoina aminny henan-kisoa na henomby matavy izy, na koa miaraka aminny voanjo, na farafaharatsiny asiana menaka fotsiny. Ahoana ny fahandro ny ravitoto sy henan-kisoa. Alaina ny henakisoa matavitavy tsara; atao mendimendy; avy eo andrahoina elaela kely asiana sira. Andrahoina manokana ny ravitoto ravi mangahazo laingolaingony; lay malefaka tsara iny no totoina eo aminny ora ...

                                               

Trondro maina sy anamalao

Marihina fa trondron-dranomamy no lazaiko eto Ho anolona 4: Makà trondro maina salasalany 4 na mihoatra, dia alomy kely anaty rano fotoana fohy, dia esory sy ario ny taolataonana. Tangosy ny anamalao 200 g farafaharatsiny ary voniny 3 ihany farafahabetsaka no tazomina. Endaso ny tongolo oignon 1 sy voatabia 1, dia arotsay ao ny trondro maina voakarakara teo, afangaroy tsara dia alefaso ao koa ny anamalao. Afaka 2 minitra dia tampohy rano 1 litatra sy sasany, asio sira araka izay tianao. Saromy ary avelao angotraka 15 minitra, aroaroy matetika, dia arosoy anaty vilia jobo. Tsara aroso miara ...

                                               

Vary aminanana

Fomba fahandro ny vary tena mampiavaka ny malagasy tokoa ny vary aminanana. Ny maraina no matetika fihinanana ny vary aminanana. Ny taharo fototra aminny fanaovana ny vary aminanana dia: ny anana. Afaka manao karazana anana maro isankarazany, fa ny tena fampiasa matetika dia ny anandrano. ny vary kitoza.

                                               

Laoka

Ny laoka dia anisanireo fototra roa aminny sakafo malagasy, miaraka aminny vary. Io teny io dia manondro ireo sakafo masira ampiarahanny Malagasy aminny vary rehefa misakafo izy ireo, toy ny trondro, ny hena, henanakoho sy ny maro samy hafa. Ny laoka koa dia ahitana sakafo tena malagasy toy ny ravitoto sy henakisoa, voanjobory sy henankisoa na ronakoho.

Tavolo
                                               

Tavolo

Ny tavolo dia karazana zava-maniry anaovana koba. Ilazana ihany koa ny koba azo avy aminy ny teny hoe tavolo. Azo hanina ny tavolo sady ampiasaina indrindra koa hampiatoana fivalanana, hanamboarana dity ampiasaina amin ny taratasy, hanenjanana lamba.