Back

ⓘ Haisoratra malagasy




                                               

Havatsa-UPEM

Taminny 6 septambra 1952 tao Antananarivo no namoronanny poeta sy mpanoratra ary mpanao gazety 15 mirahalahy ny HAVATSA-UPEM, dia: Daud Ratsarazaka Nivo-Hary Odéam Rakoto Elie Charles Abraham Flavien Ranaivo Ener Lalandy Raymond Abraham Régis Rajemisa Raolison Jean Louis Razafindratre Pénombre Andriampenomanana Michel Guste Rakotonirina Pierre Janvier Abraham Michel Paul Abraham sy Raharison Faustin izay sisa mbola velona aminizy ireo ankehitriny. Dox Jean Verdi Salomon Razakandrainy Ny tanjonny fikambanana dia ny fanandratana ny teny malagasy aminny alalanny Haisoratra, fiarovana ny maha ...

                                               

Tononkalo

Ny tononkalo dia karazan-dahabolana na lahatsoratra natao andalana mifanarakaraka misy ngadona sy firindrana ary fitsipika mifehy ny fiafaranny andalana tsirairay mbaminny fomba hahakanto azy sady miompana aminny lohahevitra iray no natao hiantefa aminny saina sy ny fihetseham-po.

                                               

Andriamanarivo Paoly Rabe

DadaRabe dia mpanoratra malagasy teraka taminny taona 1968 tao Antananarivo. Nianatra teny Ankatso ary nivoaka ho dokotera. Nanohy fianarana tany Frantsa izy ary nahazo ny mari-pahaizana manokana momba ny "Psychiatrie". Niverina tao Madagasikara izy ny taona 2007 ary mampianatra ao aminny faculté de médecine ao Mahajanga.

                                               

Lovantsofina

Ny lovantsofina dia ny fampitana mitohy ny singan-kolontsaina iray na maro mandritra ny tantara hatraminny zava-mitranga mpanorina na hatraminny zava-nitranga taminny fotoana lasa lavitra dia lavitra. Izany lova tsy azo tsapain-tanana izany dia mirakitra ny maha izy azy ny vondronolona iray, ka mety ho izany no namorona ny foko iray. Ny lovantsofina dia fitadidiana ny zavatra izay nisy ka tokony hampitaina aminny taranaka mandimby sady hohateveninizy ireo. Ny lovantsofina dia mety am-bava na efa voasoratra. Ao aminny fivavahana kristiana dia atao hoe lovantsofina na lovam-pinoana hoy ny Ka ...

                                               

Fredy Jaofera

Fredy Jaofera izay Rakotomalala Eric Fredy Jaofera no anarany feno dia zafikelin i Fredy Rajaofera ary samy poeta izy mianaka. Zanaka lahimatoan Itompokolahy Rakotomalala Eugène Louis sy Itompokovavy Rajaofera Elise izy. Mpirahalahy fotsiny ry zareo no zanaky ny ray aman-dreniny. Sarotra inoana toy ny gisa mainty no naha-mpanoratra an i Fredy Jaofera fa nisy tokoa ny sakantsakana teo amin ny fiainany: Mino ve ianao raha lazaiko hoe mafy tamin i Fredy Jaofera no nandray ny penina sy nanoratra litera iray na roa tany am-boalohany tany an-dakilasy? Mino ve ianao raha lazaiko hoe tsy nahay nit ...

                                               

Bara

Ny Bara dia vondrom-poko malagasy any afovoany-atsimon i Madagasikara, ao amin ny faritra Ihorombe sy Atsimo Andrefana ary Anosy. Toerana midadasika no misy azy ireo, voafaritry ny renirano Zomandao any avaratra, ny faritra onenan ny Tanala any atsinanana, ony Onilahy any atsimo andrefana, ary ny havoanan Analavelona ao andrefana sy avaratra-andrefana. Ny tanàna lehibe any amin ny Bara, dia i Sakaraha, i Ranotsara, Ivohibe, Ihosy, i Ranohira, Ankazoabo, i Betroka ary i Beroroha. Tamin ny taona 2000 dia niisa 520 000 any ho any ny Bara.

                                               

Epistily

Ny hoe Epistily na Taratasy na Epistola dia sokajin-dahatsoratra miendrika taratasy ifandefasana ka ilazana indrindra ireo boky ao amin ny Baiboly izay manana izany endrika izany mba hifampiresahan ny mpanoratra amin ny olona na fiangonana iray na ny olona rehetra tsy an-kanavaka.

                                               

Angano

Ny angano dia fitantarana zavatra tsy nisy nefa namboarina ho toy ny nisy ary natao hanatsoahana fananarana, na fitantarana zava-nitranga tokoa. Karazana lahabolana tsotra, lava ary miendrika tantara foronina noho ireo dingana hita ao anatiny sy ny mpandray anjara ary ny olana sy ny vahaolana hita taratra ao aminny tantara ny angano.

                                               

Dox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)

I Dox na koa fantatra taminny anarana hoe Jean Verdi Salomon Razakandraina dia teraka taminny 13 Janoary 1913 tao Manankavaly. Azo lazaina ho anisanny poety malagasy fanta-daza indrindra aminizao andro izao i Dox.

                                               

Faribolana Sandratra

Ny Faribolana Sandratra dia fikambanana poeta malagasy. Taminny taona 1982 ny Faribolana Sandratra no noforononny mpanoratra sy poeta vitsivitsy: J. Nalisoa Ravalitera, Lydiary, Solofo José, Ilay, Niry Solosoa, Elie Rajaonarison, Rakotonirina Gérard, Ranöe, A.R.Ni.